La Gazette de la grande ile

Ekipam-pirenena malagasy : Mila mahay fiteny vahiny

Publié le 02 février 2023

Ny sabotsy izao no hifarana ny CHAN na ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra izay natokana ho an’ireo mpilalao tsy mpila ravinahitra any ivelany. Rahampitso moa no hilalao farany ny Barean’i Madagasikara, hiady ny laharana fahatelo amin’i Niger. Raha ny momba ny ekipam-pirenena manokana no resahina, dia zavatra iray tsikaritra ary niteraka ady hevitra tany anaty tambazotran-tserasera sôsialy ny tsy fifehezana na tsy fahaizan’ireo mpilalao miteny frantsay rehefa mitafa tamin’ireo mpanao gazety vahiny any an-toerana. Nitondra fanamarihana momba izany mihintsy moa ireo mpitantara

baolina ao amin’ny Televizionina frantsay Canal +. Manoloana izany trangan-javatra izany dia tokony hampianarina teny vahiny tsara ihany ireo mpilalao mandrafitra ny ekim-pirenena na dia ny teny anglisy fotsiny aza mba tsy hanahirana ireo mpanao gazety vahiny rehefa ao anatin’ny fifaninanana iraisam-pirenena lehibe tahaka izao.

Ramanana

Lire aussi