Publié le 02 février 2023
Maro tsy ho voatanisa ny distrika notsidihan’ny filoha Andry Rajoelina, tao anatin’ny efa-taona mahery nitondrany ny firenena. Tao ny toerana nanokanana fotodrafitrasa vaovao, fa maro koa no notsidihan’ny filoha satria nitondra takaitra lehibe noho ny fandalovan’ny rivo-doza. Araka ny fantatra dia anio no hidina any amin’ny distrikan’i Marovoay ao anatin’ny faritra Boeny ny filohan’ny Repoblika, hijery ifotony ny voka-dratsy nateraky ny rivo-doza Cheneso sy ny olana mianjady amin’ireo traboina. Aorian’i Marovoay dia mbola hitsidika toerana hafa any amin’iny faritra Boeny iny koa ny filoha raha ny fantatra. Mbola mampametra-panontaniana ny maro ihany moa amin’izao fotoana ny hoe « fa maninona no tsy mbola nitsidika ny distrikan’Ikongo mihintsy i Andry Rajoelina, tao anatin’ny efa-taona naha filoha azy kanefa anisany tena nitondra takaitra mafy rehefa nandalovan’ny rivo-doza? »
Tsiahivina fa tamin’ny fiandohan’ny volana febroary 2022 no nandalo teto Madagasikara ny rivo-doza Batsirai izay nampitondra faisana ny faritra atsimo atsinanana sy atsimon’ny Nosy. Nitondra takaitra lehibe tamin’izany ny distrikan’Ikongo satria ankaotra ny fotodrafitrasa sy tanim-boly simba, dia olona maherin’ny 100 no namoy ny aina, araka ny nambaran’ny depiote voafidy tany an-toerana, Brunelle Razafintsiandraofa. Ny mahagaga anefa dia tsy nidina tany amin’ity distrika ity mihintsy ny filoham-pirenena, tahaka izao ataony any Marovoay androany izao. Io takaitra navelan’ny rivo-doza Batsirai io no anisany fositra tena nahatonga ny kere izay niteraka resabe teto amin’ny firenena ary nahafatesan’olona tany Ikongo, fa tsy mbola nanao fitsidihana tany koa ny filoha na dia nizara fanampiana ho an’ireo mponina matin’ny hanohanana aza. Mbola nitranga koa ireny fitifirana nataon’ny zandary izay namoizana ain’olona maherin’ny 30 isa, tamin’ny faran’ny volana aogositra 2022 fa tsy mba nidina tany i Mamimbahoaka. Rehefa dinihana tahaka ny distrika tsy manana filoham-pirenena i Ikongo satria na inona na inona zava-mitranga any an-toerana dia tsy misy filoha mpitsidika.
F. Tsihiavonana