Publié le 02 février 2023
Atao an-jorom-bala hatrany ny ho avin’ny mpampianatra vita fiofanana eto amintsika amin’izao fotoana. Raha 930 ny mpampianatra vita fiofanana tamin’ny taom-piofanana farany, araka ny antontanisa ofisialy navoakan’ny ENS na « Ecole Nationale Supérieure ». Ny 22 tamin’ireo mpampianatra nahavita fiofanana , dia lasa mitana birao any amin’ny PAT (Personnel Administratif et Technique) sy any amin’ny ministera isan-karazany. Izany hoe tsy mandray ny asany maha-mpampianatra azy ireo, kanefa ny 748 dia nahazo ny mari-pahaizana CAPEN sy MAPEN , ary ny 146 dia ny maripahaizana LAPEN. Tokony hiparitaka manerana ny Faritany efatra izy ireo rehefa nahazo ny maripahaizana, dia any Toliara, Fianarantsoa, Antananarivo ary Antsiranana izy ireo, saingy nandà hatrany ny sasany tamin-dry zareo. Tranga toy izao no antony mampihazakazaka ny mpampianatra FRAM izay tsy niofana ka miady fo mba ho voaray mpiasam-pianjakana, satria ireo mpampianatra vita fiofanana ireo dia mandà ny fanendrena azy, ary mitarika fitokonana mihitsy aza. Matoa naka ireo mari-pahaizana voalaza etsy ambony ny mpampianatra nahavita ny fiofanana dia tokony efa nanoman-tena, ary tsy manan-tsafidy koa ambonin’izany. Tsy misy mihitsy ny fahadisoan’ny minisitera amin’ny fanapahan-kevitra raisina. Ilàna ny fampitoviana ny lentam-pahaizana takian’ny fanabeazana ny zaza malagasy na an-tanan-dehibe na ambanivohitra. Ny asa birao dia natokana ho an’ny niofana amin’ny fitantanandraharaham-panjakana.
Tsy tokony ny mpampianatra vita fiofanana no hanao izany. Sa diso safidy tamin’ny taranjam-piofanana tokony narahina izy ireo? Mbola lavitry ny afo ny kitay raha ny toy izao ny toe –tsain’ny mpampianatra vita fiofanana izay natao hampita ny fanabeazana amin’ny zaza malagasy manerana ny Nosy.
Hisokatra amin’ny 10 febroary 2023 ny fandraisana ny antontan-taratasy hampianatra eny amin’ny Liseam-panjakana ho an’ireo manana ny maripahaizana LAPEN, hoy ny tao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena Nasionaly (MEN).
Aina Soa