La Gazette de la grande ile

LAVA MASO

Publié le 02 février 2023

– Tsy aleo, ve, hamely lasopy kely ato vao mandeha fa tena noana mihitsy izany-kah ! hoy Zefa.

– Tena hevitra mety mihitsy izany ! …hoy i Bema.

– Mba homeo lasopy azafady ô ! … Ny ahy lasopy tongotr’omby ! hoy i Zefa.

– Ny ahy ataovy lasopy atody e ! hoy i Bema.

– Mba mahagaga, leitsy ry Zefa, no itiavanareo itony lasopy tongotr’omby itony. Zavatra faran’izay maloto. Manitsaka izay tsy fanitsaka, kanefa dia tianareo ! hoy i Bema.

– Ary ny itiavan’ialahy io atody iio ? … Fa taiza, moa, io atody hanin’ialahy io no nivoaka ?

– ???

Lire aussi