La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 02 février 2023

Tsy afaka andraikitra ny avara-pianarana

Voambolana nanesoan’ny malagasy maro ny mpianatra nahavita fianarana avy any ampitan’ny ranomasina tany ambadiky ny 60 taona tany ny hoe « avara-pi » (avara-pianarana). Nisy elanelany be ny toerana sy ny fisainan’ny vahoaka, andaniny, sy ny avara-pianarana teto, ankilany, ary tena safotry ny fizahozahoana sy fieboeboana teo amin’ny avara-pi ny fiaraha-monina. Saika nanana ny anjara-toerany tany anivon’ny rafi-pitantanana ankapobeny isan’ambaratonga rehetra, na ny teo anivon’ny fanjakana na ny ivelan’ny fanjakana , ny avara-pi na ny manam-pahaizana. Ny rafi-panjakana, saika avara-pi no nameno ny governemanta. Ny ankamaroan’ny minisitra dia mari-pahaizana « doctorat » no ananany.

Ny manam-pahaizana ambony sady mpampiatra amin’ny Oniversite, ary mpandinika ny raharaha politika, Manasse Esoavelomandroso, tao amin’ny gazety mpiseho isanandro iray eto an-toerana omaly, dia nanipika fa « isan’ny tompon’andraikitra amin’izao fahapotehan’ny firenena izao ny avara-pianarana sy ny manam-pahaizana ». Izay koa no nosintoninay ho lohatenin’ity matoandahatsoratra ity hoe « tsy afaka andraikitra amin’izao toerana misy ny firenena izao ny avara-pi ».

Tsy natao hifanoherana na hifandrafiana anefa izany fa hisariham-pisainana kosa mba hikatsahana ny vahaolana mahomby.

Ny Fikambanan’ny Mpianatra Malagasy Fiaviana (Association des Etudiants d’Origine Malagasy = Aeom), ohatra, tany amin’ny taona 70 tany dia nanipika tao anatin’ny hira narafitry ry zareo fa « tokony hifameno ny avara-pianarana sy ny vahoaka raha hiatrika ny fanarenana ny firenena sy ny fampivoarana mbamin’ny fampandrosoana azy ».

Ny tsy azo lalovam-potsiny koa dia misy ny misavi-tsaranga eto amintsika ary zary manala baraka ny manam-pahaizana. Te hahazo mari-pahaizana ambony ny sasany, ho antoky ny fahazoana toerana ara-politika ambony ao amin’ny fitondram-panjakana, dia mividy mari-pahaizana na « diplaoma ». Fa ny sasany indray, tsy nandia fianarana firy akory koa dia mitady ny fomba hahazoana fahefam-panjakana mba hangejana ny vahoaka sy ny manam-pahaizana.

Ity farany ity matetika no nitranga tato anatin’ny 20 taona farany teto amintsika. Ny antony nahafoana na nahakely dia kely ny sarangan’ny vahoaka antonintonim-pivelomana (classe moyenne)  dia ny ezaky ny olona sasany mitana ny fahefam-panjakana hamotika ny manam-pahaizana. Tsy manana na bakalorea aza ilay mitana ny fahefam-panjakana amin’io.

Ny tsy azo ikimpiana koa anefa dia ny tsy anaovana safobemantsina ny tsy nandia fianarana. Misy mantsy ny olona izay zara fa nahay namaky teny sy nanoratra saingy tompon’ny fahatsilovan-tsaina sy ny fahendrena ary ny fahalalana. Ireny indray dia tena mendrika ary sahaza amin’ny fitantanana fahefam-panjakana. Ny Ombalahibemaso, ohatra, dia azo sokajiana ho izany, ary nisy mpanao politika tena tiatanindrazana vitsivitsy azo tanisaina amin’izany teto Madagasikara, toa an’i Dadamonja.

Izany rehetra izany no anasongadinanay ny hoe « tompon’andraikitra tamin’ny nahapoitika ny firenena malagasy sy ny nampahantra ny vahoaka ny manam-pahaizana, saingy azo arenina izany ka ny vahoaka sy ny manam-pahaizana no mifanao tan-tsoroka hoenti-manavotra ny firenena, hoenti-manarina ny fiainam-bahoaka, hoenti-mampivoatra sy mampandroso ny fiaraha-monina malagasy amin’ny ankapobeny, ka ametrahana rafitra matotra ifampifehezana sy ifampitondrana ny fampahombiazana izany ».

Tohanana

Lire aussi