Minisitra Jules Etienne: Mandany andro mitety an’ireo orin’asa efa maty

Tena hita fa dokotera mpitsabo tokoa Ingahy minisitry ny Indostria, Jules Etienne, ka tsy mba azony an-tsaina ny mety ho endriky ny orin’asa tsy nihodina tao anatin’ny 5 taona na 10 taona na 20 taona na mihoatra an’izany. Dia mifamatotra amin’ny fihetsika ataony amin’izany ilay pôlitikan’ny serho iverlany toy ny fanaon-dRavalomanana. Miezaka mandany andro mihitsy mantsy i Jules Etienne mitety an’ireo orin’asa efa tsy nihodina nandritra ny taona maro teto. Amin’ny lafiny iray dia toa rariny izy raha midina ifotony mijery an’ireny orin’asa ireny fa amin’ny lafiny iray kosa dia hita fa mbola tetika isarihana ny fon’ny olona ihany. Izay ilay pôlitikan’ny seho ivelany.

Dia mihevitra ve i Jules Etienne fa tsy mba nanana eritreritra hitady izay hampihodinana indray an’ireny orin’asa nisy teto ireny mihitsy ireo minisitra teo alohany? Na ny orin’asa Sirama any Brickaville io na ny Zeren any Toamasina, na ny Tiko any Andranomanelatra Antsirabe, na ireo hafa rehetra nandaniam-bolabe tamin’ny Repoblika faharoa toy ny Hodima any Ambositra, Zema any Atsimo, Snhu any Toliara, Fitim any Mahajanga, … sy ny maro e!

Dia manao fampielezan-kevitra pôlitika maloto hoe “mba hamerenana ny asa very teo amin’ireo tanora maro.” Tsara avokoa izany tarigetra izany fa aza mandrebireby vahoaka. Angaha izany vitan’ny fihetseham-po na ny faniriana fotsiny? Toa manao ariary zato ampandriana na “valala eny an-danitra ka asiako sira”. Io aza ny filazana hoe “tafaverina ao anatin’ny Agoa isika Malagasy”, tsy hita izay fihetsiky ny minisitry ny Toekarena sy ny minisitry ny Indostria amin’ny tena fampandrosoam-pirenena fa maika fotsiny hamerina ireo mpiasa any anaty orin’asa; nefa niainan’ny maro teto ny asa famonoana olona niainan’ny mpiasa tany amin’ireny orin’asa afa-kaba ireny. Vehivavy mitondra vohoka nefa terena ny mpitsabo tsy hanome azy fotoana ialana sasatra, hany ka teraka ampitsanganana eo am-piasana. Na hisotro rano aza tsy azony natao. Nisy teto izany, ary ohatra iray amin’ireo marobe nanandevozana ny mpiasa Malagasy.

Saingy mafy moa ny manjo an’ireo tsy an’asa ka hararaotina izy ireo amin’ny karama vary masaka sy fepetra iasana maningotra aina.

Eo amin’ny lafiny toekarena dia iza amin’ireo minisitra ankehitriny ireo izao no mba nanana ahiahy hoe “inona avy moa no akotra takian’ireo orin’asa afa-kaba ireo fa toa tsy misy tsy hafarana avy any ivelany?” Aiza ilay antsoina hoe “tissu économique”? Izany hoe ampiroboroboina eto ny sehatra miantoka ny akora hahodin’ireo orin’asa afa-kaba. Na bokotra na kofejy anjairana na ravin-damba hozairina na kojakoja hafa, dia tsy misy mba vokarina eto fa afarana avokoa nefa ireny no isan’ny miteraka harena eto. 20 taona mahery no nisian’ny orin’asa afaka haba teto fa tsy nisy mpitondra fanjakana mba nitaky ny hanajana izany dingana ara-pamokarana izany mba hiteraka harena ho an’ny firenena teto, dia indro indray fa miseho azy ho tena mieritreritra ny hampandrosoana ny toekarena amin’ny alalan’ny famelomana an’ireo orin’asa efa tsy nihodina hatry ny ela ry Jules Etienne.

Kobaka am-bava io ary iza no mahafantatra raha misy tetika maloto hafahafa mifamatotra amin’izany tetika izany any ho any?

 

Comments are now closed for this entry