La Réunion: Mivaro-tena ireo vehivavy gasy PDF Imprimer Envoyer
Samedi, 31 Juillet 2010 06:01
Teratany malagasy telo no sahy namoaka ny tsiambaratelony avy tamin’ny JIR atsy La Réunion. Lisy 38 taona, Tantely 33 taona manan-janaka telo ary Christine 38 taona. Mivaro-tena avokoa izy telo mirahavavy ireto ary samy vadim-bazaha teo aloha. Ny voalohany noroahin’ny “vadiny” rehefa niaraka nipetraka nandritra ny enim-bolana ka voatery niroso tamin’ny fivarotan-tena noho ny tsy fananana asa sy trano hitoerana; ny faharoa indray niteraka telo (9, 7 ary 5 taona) nilaozan’ny vadiny ary ny farany tratran’ny vadiny nivaro-tena mba nahafahany mandefa vola hamelomany ny zanany sy ny reniny aty Madagasikara.

            Samy hafa araka izany ny antony nahatonga azy ireo hiroso amin’ny fivarotan-tena. Tsy misy mahafantatra izany kosa anefa ireo fianakaviana aty Madagasikara, izay mihevitra azy ireo ho miaina tsara tahaka ny olon-drehetra na mihoatra mihitsy aza. Tsy mahalala ny asan’ny reniny ihany koa ireo ankizy ary ny tena mampalahelo, araka ny nambaran’ity gazety mpiseho isan’andro atsy La Réunion ity dia tsy sahy mitory na mametraka fitoriana eny amin’ny manam-pahefana izy ireo raha sendra misy ady na fifandonana.

            Kianja anjakan’ny fialonana sy ny herisetra tokoa mantsy ny asa fivarotan-tena, na ivelany izany na eto an-toerana. Eo ihany koa anefa ny henatra amin’ny fiaraha-monina, indrindra fa ny zanaka ao an-trano. Samy miaiky mantsy izy telovavy ireto fa mahamenatra ny “asa” ataon’izy ireo saingy tsy maintsy. Mino kosa anefa izy ireo fa tsy hijanona mandrakizay amin’ity sehatra ity ary samy miezaka mitady asa fivelomana “ara-dalàna”.

            Izy telovavy no sahy nijoro vavolombelona manoloana ny fahasarotan’ny fiainana any ivelan’ny tanindrazana any, indrindra amin’ny fotoana hisian’ny olana. Fa firy amin’ireo teratany Malagasy monina any am-pitandranomasina any no manao ity fivarotan-tena ity ho asa fivelomana ? Moa ve mahalala izany avokoa ny fianakavian’izy ireo ?

            Misarika ny sain’ny tovovavy Malagasy handinika tsara amin’ny fanapahan-kevitra mialohan’ny hanarahana na hanambadiana vazaha ity lahatsoratra navoakan’ny JIR ity. Tsy arakaraka ny fampanantenana sy ny endrika ivelany hita amin’ny fotoana hihaonana mantsy ny zava-misy. Mahazo vahana rahateo koa ny fitadiavana olon-tiana amin’ny alalan’ny “internet”, “facebook”, sns.