INTY SY NDAY: Be fihetsiketsehana ! PDF Imprimer Envoyer
Samedi, 31 Juillet 2010 06:04
Dia sahala amin’ny hahavita inona manoloana ny raharaha « bois de rose » ery ny minisitry ny Tontolo Iainana, ny jeneraly Herilanto Raveloharison ! Firy tamin’ireo minisitra nandalo teo no mba nanana eritreritra hametraka lamina sy fepetra fa rehefa nolalovan’ny mpanondrana « bois de rose » fanimpanin’ny « fahasoavana » daholo.

Na « brigade mixte » na « task force », na inona anarana hilazana azy, tsy mbola mpiasam-panjakana malagasy velively no hahavita hitodi-damosina ny firaviravin’ny vola amina miliara. Be fihetsiketsehana fotsiny !

Fa hatao inona aloha ireo « bois de rose » efa tapatapaka ireo e ? Ho avela ho boboka eo fotsiny sa havadika fanoto hitotoam-bary ?

Hatramin’izao mantsy tsy mbola nisy minisitra na tomponandraikitra ambony nandroso soso-kevitra mikasika ireo « bois de rose » amina taonina efa tapaka manerana ny faritany ireo.

Inona no tsy hamelàna ny fanondranana azy ireo indray mandeha tsy miverina mba hidiram-bola any amin’ny kitapom-bolam-panjakana, amin’izay mba tsy hisy intsony ny grevy amin’ny fahataran’ny karama, « bourse », tambin-karama efa mankadilo sofina ?

Tsy ao anatin’izao tetezamita izao no hisian’ny « miracle » mikasika ny olan’ny « bois de rose ». Rafitra iray manontolo mihitsy no ilàna fanovàna, miainga avy amin’ireo ONG vatsian’ny banky iraisam-pirenena sy ny forongony vola ireo. Manaporofo mantsy izao fa tsy nisy nilàna azy sady tsy nahomby ny pôlitikan’ny tontolo iainana nisy teto hatramin’izay. Asa raha mba fantatry ny vahoaka hoe ohatrinona ny karaman’ireny mpiasa amina « projet » misahana tontolo iainana ireny ? Firy isan-jaton’ny vola no tena miasa mivantana eny ambanivohitra, sns ?

Fihetsiketsehana fotsiny daholo e ! Miaramila sy mpitandro filaminana efa nahita ny tsiron’ny vola sy fahefana nandritra izay herintaona sy tapany izay koa ve no ndeha hanankinana fanaraha-maso ny fanondranana “bois de rose”!

Ho latsa-panenenana eo mantsy ny minisitry ny Tontolo Iainana aoriana kely ao ary handatsa tena hoe: “tahaka izay koa mba nanao tamin’ny fotoana naha minisitra ny tena !”.

Tsy misy hevitra intsony io resaka “bois de rose” io. Efa tafiditry ny mafia ity sehatra ity ary efa be loatra koa ny vola mandehandeha. Tsy maintsy hisy foana ny trafika sy fanondranana an-tsokosoko. Tsy sanatria mamporisika ny fandrobàna ny harem-pirenena fa mba filazana fotsiny ny zava-misy sy mbola hisy.

Fa naninona koa anefa ny filoha Andry Rajoelina no izao vao namoaka baiko mikasika ny fanondranana “bois de rose” e ? Be fihetsiketsehana !

R.A.R