|
Raharaha ihany ity fiainam-pirenena ity fa hatao aza ny tsy hitsikera dia tsy maintsy misy ihany ny fanamarihana atao.
Ny tsapa tato ho ato izay dia efa manomboka voaresaky ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ny momba an’ity andrim-panjakana tetezamita antsoina hoe “Fahefana avo” ity. “Fahefana” amin’ny ahoana moa?... Ahoana no fiseho sy fihatran’izany fahefana izany? Maro dia maro ny mpikambana ao amin’io “Fahefana” io, fa ankoatra an’ireo filohan’antoko nihazakazaka nanenjika ny lamasinina tamin’ny tolona dia nomena toerana ao koa ny nampiseho “fihetsika” nanohana tamin’ireny fotoana naha teny an-dalam-be ireny. Indraindray dia lasa ihany ny fisainana ka tonga any amin’ny hoe nitolona ho an’ny inona moa ireny olona ireny? Nitolona ho an’ny fanovana ve sa nitolona ho an’ny toerany?... Raha ny fanovana marina no nokatsahina dia tsy tokony ho nisy olona marobe tsy fantatra asa tahaka ny amin’izao fotoana izao ny ao amin’ny “faran-tampony” ao. Tsy fantatra asa, hoy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena, ary dia tena marina tokoa izany, satria… iza amintsika ireto moa izao no afaka mamaritra ny tena andraikitra sy asa sahanin’ireo olona ireo?... Mety ho fanontaniana adaladala izany, kanefa dia sarotra ny mamaly azy. Adaladala ny fanontaniana, dia izay! Na izany aza anefa tsy azo odiana adala ny vola lany amin’ny fampandehanana an’io “andrim-panjakana” io. Mahavita karaman’ny mpiasam-panjakana firy moa izany ny vola lanin-dry zareo ireo? Inona anefa no vitan’izy ireo teto amin’ny firenena, hatramin’izay herintaona sy tapany mahery volana vistivitsy izay? Ny tena mahalasa ny eritreritra aza dia ny fahitana fa tena tsy mitovy mihitsy ny avoakan’ny vavan’izy ireo. Fantatra izao fa misy ny mifanipa-kevitra, tsy mitovy fijery, kanefa dia mahay miara-monina ao ihany ireo rehetra ireo. Tombontsoan’iza ny fisian’izany?... Ny miara-mahita no mamaly ê. Mety ho mbola adaladala ihany ny fanehoan-kevitra, kanefa dia holazaina ihany ny hoe toa mampahatsiaro ny Mpanolotsaina Avon’ny Tolompiavotana, na ny CSR ny zava-misy amin’izao fotoana izao: tsy fantatra ny tena asany. Adaladala?... Asa fa dia isika rehetra no aoka handinika ê. Alain R. |