|
Tetezamita: Tsy ho tapitra amin’ity taona ity ? |
|
|
|
|
Samedi, 31 Juillet 2010 06:12 |
|
Fehin-kevitra nivoitra nandritra ny “Dinika Santatra” tao amin’ny Firaisana I, nandinihina ny loha-hevitra mikasika rafitra sy ny fomba hitantanana ny tetezamita (structure et gestion de la transition),
ny ahiahin’ireo mpizaika ny amin’ny tsy ahafahana hanatanteraka fifidianana amin’ity taona ity noho ny antony maro, indrindra fa ny olana hateraky ny toetr’andro. Afaka volana vitsivitsy tokoa mantsy dia hiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana (fahavaratra) isika. Mbola vao ny “Dinika Santatra” ihany anefa no vita hatramin’izao. Mbola maro ireo dingana heverina holalovana mialohan’ny hanatanterahina ny fifidianana. Tsy ho tapitra amin’ity taona ity araka izany ny tetezamita. Resy lahatra amin’izany petra-kevitra izany rahateo koa moa ireo mpandray anjara tao amin’ny boriborintany voalohany. Tsy dia tena any loatra anefa ny adihevitra mipetraka fa ny tsy maintsy hametrahana rafitra hitantanana ny firenena mialohan’ny volana marsa 2011, fe-potoana ahataperan’ny tetezamita, araka ny famindram-pahefahana tetsy amin’ny “épiscopat” Antanimena ny volana marsa 2009. Raha ny zava-misy anefa no jerena dia toa misy manana tombotsoa ny tsy hisiana rafitra na sata mialohan’io volana marsa 2011 io, mba handatsahana tanteraka ny firenena any anatin’ny haizina. |