|
Dinika Santatra: Nahavita ny anjarany |
|
|
|
|
Samedi, 31 Juillet 2010 06:14 |
|
Hifarana anio ny « Dinika santatra ». Nangiana sady nahazo ny karazana fanankianana avy tamin’ny an-kolafin’olona maro.
Na izany aza nahavita nitondra ny anjara birikiny teo amin’ny fitadiavam-bahaolana manoloana ny krizy lalovan’ny firenena ireo mpikarakara. Mendrika ary tsy atao tsinontsinona izany ary hipetraka ho ao anatin’ny tantaran’i Madagasikara. Mba anjaran’ny hafa indray ny mitondra ny azy; indrindra ireo mahita ho lazaina lava ireo ary tsy maninona mihitsy raha sehatra tahaka itony no hisian’ny fifaninana fa tsy any amin’ny fametrahana baomba sy asa fanakorontanana ary ny fandrobàna ny harem-pirenena. Ny mampalahelo fotsiny dia lasa ireo mpikarakara iny “Dinika santatra” iny no heverina ho tsy mahavita azy kanefa isika Malagasy mihitsy no tsy mba manana fahatsoram-po, indrindra moa fa izany hoe fitiavan-tanindrazana izany. Mahavariana fa mahavory olona sady be mpanotrona rehefa resaka rotaka sy gidragidra; milaza ho sahirana amin’ny asa fivelomany avokoa rehefa asaina mandroso soso-kevitra ho an’ny firenena ! Vahoaka sa biby avy taiza loatra isika Malagasy ? Fanovàna inona no andrasantsika eto e ? Fanovàna filoha sy praiminisitra ary antoko politika ho eo amin’ny fitondrana ? Eny, izay no nisy teto hatramin’izay ary mbola hisy ary tsy tokony ho gaga mihitsy isika raha hiverina hatrany ny krizy satria mba samy te ho tonga eo amin’ny fitondrana, hameno paosy, hihinana ary hangorona izay hitan’ny maso daholo. Mba nandrasana hamoaka ny heviny ireo vahoaka madinika, mitaraina lava fa ataon’ny sasany tohatra fiakarana, saingy indrisy…! Sehatra iray nahafahan’izy ireo naneho ny fomba fijeriny sy ny hetahetany anefa iny “Dinika santatra” iny. Ho tolorana sakafo sy vola tahaka ny mahazatra avy eo karamaina hamaky tranombarotra sy handoro trano rehefa raikitra ny rotaka. Hijanona amin’izany hatrany ve ny fiainan’izy ireo ? Midradradradra lava fa tsy mba misy mpihaino. Ilaozana manendaka fotsiny indray rehefa misy olona mikely aina mamorana sehatra ahafahana mandray fitenenana. Tsy fandokafana na fitiavana manokana ireo mpikarakara ny “Dinika santatra” no ilazàna izao zavatra izao fa tena mba ho fampieritreretana antsika Malagasy mihitsy. Nahavita ny anjarany izy ireo, inoana koa anefa fa nisy hevitra sy tolo-kevitra nivaingana nandritra izay efatra andro izay ary tsy tokony hisy fanenenana mihitsy. Tiana ihany koa ny manamarika fa tsy fitadiavam-bola na fitiavan-tseza no nanosika ny maro tamin’ireo mpikarakara tao anatin’iny “Dinika santatra” iny fa fandavan-tena sy fanehoana ny fitiavan-tanindrazana. Rocco |