Soanierana: Fandravàna trano niafara tamin’ny poa-basy

Tranga efa fahita matetika tao anatin’izao fitondran-dRajaonarimampianina izao no niseho tetsy amin’ny fokontanin’i Soanierana, ao anatin’ny boriborintany faha 4, omaly maraina. Trano biriky teo amin’ny 10 tafo teo ho eo no narodana tamin’irony fitaovana vaventy  fampiasa amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa irony. Tonga niaraka tamin’ireo fitaovana ireo ny mpitandro filaminana sy ny vadintany izay nilaza ho tonga manatanteraka didim-pitsarana. Raha ny filazan’ireo olona mipetraka amin’ireto trano narodana ireto, izay mazava ho azy fa tsy mankasitraka izao zavatra mahazo azy ireo izao, dia tamin’ny zoma 6 janoary  teo izy ireo vao nahazo fampilazàna avy amin’ny fitsarana fa tokony hiala ao amin’ny toerana misy azy ireo ao anatin’ny 48 ora. Nifarana omaly maraina moa ny fe-potoana nomen’ny fitsarana ka avy hatrany dia tonga handrava ny vadintany niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Niezaka nanohitra hatramin’ny farany moa ireo mponina teny an-toerana nisakana ny fandrodanana ny tranon’izy ireo ka teo no voatery nanapoaka basy nanao tifi-danitra ny mpitandro filaminana. Marihana fa tanim-panjakana no nohajarian’ireto olona rava trano ireto ary betsaka amin’izy ireo no efa am-polotaonany maro no nanorina trano teo amin’ilay tany. Ireto olona ireto izay tsy mandà ny handao ny toerana saingy mangataka fotoana maharitraritra mba ahafahan’izy ireo mitady toerana hafa. Raha ny fantatra dia novidian’ny orinasa sinoa iray eny an- toerana ihany ny tany ka izay no antony tsy maintsy nandravàna ireto trano ireto. Raha ny filazan’ny solontenan’ireo mponina ihany dia tsy manaiky izao fanapahan-kevitry ny fitsarana izao ny sefo fokontany ao an-toerana, ity farany anefa izay tsy nety nipoitra tamin’ny fotoana nisian’ny fandrodanana. Ilay orinasa sinoa voalaza fa nividy ny tany koa dia tsy nety niresaka tamin’ny mpanao gazety rehefa nanontaniana.                                                                          

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire