Adin-tany: Hiaro ny mpibodo tanin’olona eny Betsizaraina ve ny fitondrana Hvm?

Olana mahazo vahana eo amin’ny samy Malagasy ny momba ny fananan-tany. Na mpianaka, na mpiray tampo, na mpihavana na mpifanolo-bodirindrina, sy ny hafa… dia saika isehoan’io fifanolanana tany io avokoa.

Eo ihany ny tsy fahampian’ny antontan-taratasy satria teo amin’ny ntaolo Malagasy dia tsy mbola mba nisy loatra ny taratasy fa ny fokonolona no manamarina hoe “ranona na ranona no tompon’ny tany”.

Dia misy ny manararaotra ka na tany efa ananan’olona titra tany ambadiky ny 50 taona tany na 100 taona akory aza, dia sahin’ny sasany ny manova izany any amin’ny biraom-panjakana any satria ny vola no ampitenenina (Kolikoly e!), dia lasan’olona hafa tsotra izao ny tany.

Misy koa ny ianjadian’ny be noho vitsy ka ampian’ny sokajin’olona sasany mahazo avara-patana any an-dapa any. Isan’ny tranga nahitana ohatra maro tamin’izany ny nahavoarohirohy ka nanamelohan’ny fitsarana mihitsy an’i Jean Nirina Rafanomezantsoa, mpitarika ny “Hafari Malagasy”. Io resaka fizaka-manana tany io matetika no nitorian’ny olona azy ka vidiany lafo eny am-ponja amin’izao fotoana. Misy koa ny manam-pahefana sasany no manararaotra ny fahefam-panjakana eo aminy ka miseho ho mitsinjo ny “madinika” dia manome alalana an’ireny “madinika” ireny mibodo tanin’olona. Indraindray dia sahin’ny olona sasany mihitsy ny milaza fa “tsy manan-tompo io tany io ka manorena trano na fotodrafitrasa eo”.

Indraindray koa ny tompon-tany ara-dalàna, variana amin’ny fitadiavana, na eto andrenivohitra na mankany amin’ny faritra na any ampitan’ny ranomasina mihitsy.

Ity tranga etsy Betsizaraina Avaradrano ity anefa, izay nitondran’ny haino aman-jery sasany fitaterana vaovao ny tranga teny, dia saika ireo olona napetraky ny Hafari nanorina trano eny, izany hoe mibodo tanin’olona no zary mahazo rariny satria mahay miteny sy mitady ny irika rehetra anamarinany tena ho tompon’ny rariny.

Tany eo amin’ny “Parcelle n° 404” ao Ambanifantsakana, mirefy maherin’ny 10 Ha, Section AO – Betsizaraina-Ambohitriniandriana izy io. Ny “cadastre” dia “Sect. Ambolotara N° 20- Registre N°1- Folio N°8.”

Io izao ankehitriny dia olana be mihitsy, ary tany amin’ny taona 2011 tany no nafindran’ny olona mahazo avara-patana tao anatin’ny fitondrana tetezamita teny ireo olona noesorina avy teny amin’ny manodidina ny tanin’ny Fiangonana Advantista eny Soamanandrariny eny, ka dia nalefa tamin’io tanin’olona io, fa hoe “tsy manan-tompo”, hono io tany io.

Dia nanorina teo ireo olona ireo.

Nisy fotoana, vao trano tokana no niorina teo, dia efa nisy fametrahana fepetra hoe “miato avokoa ny fikasana hanangana fotodrafitrasa na trano eo fa miandry ny didin’ny fitsarana”.

Taty aoriana anefa dia nisy hatrany ny fampirisihana miendrika fanomezana vahana azy ireo, satria nahazo avara-patana tany ambonimbony tany ry “Hafari Malagasy” ka nahazo vahana ireo mpibodo tanin’olona.

Tonga ny tompon-tany amin’izao fotoana mba hisitraka ny zony, dia sahy mampîasa herisetra mihitsy ireo tonga nibodo tanin’olona, ary nifandamina mihitsy ry zareo amin’ny hoe “fiambenana” na amin’ny alina aza.

Dia tsy manana ny rariny tampoka eo anoloan’ny sokajin’olona sasany ny tena tompon’ny tany fa lokoina hoe “miseho ho mpanam-bola”, “miseho ho mahitahita”, sy ny sisa…

Amin’izao fotoana dia ahiana ho sahirana ny tompon-tany hanaisotra an’ireo olona marobe, efa anjatony, nanorina trano eny, satria mety ho tratry ny be noho vitsy. Etsy ankilany, mitaky amin’ny mpitondra fanjakana izy ireo ny hanomezana “titra faobe” azy ireo.

Ka eo no isarihanay avy hatrany ny sain’ny mpitondra fanjakana hoe “hiditra amin’ny tsikombakomba ka tsy hanara-dalàna koa ve izany ny fanjakana ka hanome titra an’ireo olona mibodo ny tanin’olona manan-tompo ara-dalàna eny amin’ity tanànan’i Betsizaraina ity sa handray fepetra hampanjaka ny ara-dalàna sy ny ara-drariny ary ny ara-pahamarinana?”

Izany hoe handray fepetra hanaisotra an’ireo mpibodo tanin’olona ireo.

Ajouter un Commentaire