Ambodivona: Kolonely saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Nisehoana savorovoro indray tetsy amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse eny Ambodivona, omaly maraina. Savorovoro izay saika niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka ka manamboninahitra kolonely iray no saika niharan’ny hatezeram-bahoaka tamin’izany. Raha ny fandehan’ny tantara dia nisy fiara Renault iray no nandona raim-pianakaviana iray nitondra bisikileta teo anoloan’ny vavahady lehibe miditra ao anatin’ny tokontany misy ny kaoperativa Cotisse. Avy hatrany dia nitrosona tamin’ny tany ilay nitondra bisikileta rehefa voadona saingy tsy taitra na ny kely aza ny mpamilin’ilay fiara fa toy ireny tsy nisy na inona na inona ireny. Nitsangana moramora ilay raim-pianakaviana ary nangataka fanazavana tamin’ilay mpamily, ity farany anefa izay nanao teny an’avona ka nahasorena ilay tra-pahavoazana. Raikitra teo ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta ka teo vao nilaza ilay mpamily fa manamboninahitra kolonely ny tenany ary tsy matahotra mpitondra bisikileta. Tsy nankasitraka an’izay teny izay moa ireo olona nitangorona teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ka niaro ilay raim-pianakaviana voadona. Tsy nety nanaiky ny fahadisoana ilay nilaza ho manam-boninahitra ary vao mainka nampitahotra ireo olona nifamaly taminy amin’ny maha manamboninahitra azy. Teo no nanomboka niakatra ny mari-pana teo amin’ireo olona nitangorona nanatrika ny zava-niseho, ireto farany izay efa nieritreritra ny hanao fitsaram-bahoaka noho ny hatezerana. Tamin’ny farany dia nandefitra ihany ilay raim-pianakaviana nitondra bisikileta ka nanohy ny diany. Nanao torak’izany koa ilay manamboninahitra miaramila rehefa avy nifamaly tamin’ireo olona maro teny an-toerana.

                                                                                              F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire