Governemanta: Tsy maintsy miroso any amin’ny fanovana

Valo volana sisa dia ho tonga ny taona 2018, izay tsy maintsy hirosoana amin’ny fifidianana filoham-pirenena vaovao indray. Izay no voalazan’ny lalàna ka miandry izany avokoa ny olona. Efa mivoy izany tato ho ato ny haino aman-jery maro isan-karazany.

Amin’izao fotoana izao nefa mafana dia mafana ny toe-draharaha eto Madagasikara. Mihazakazaka izay tsy izy ny fivoaran’ny raharaha pôlitika. Toa nampisamboaravoara ny raharaha ny fisamborana an-dramatoa Claudine Razaimamonjy satria voalaza fa mbola misy “dossiers” maromaro no hanaovana fanadihadiana momba ny halatra sy ny fanodinkodinana volam-panjakana ary fanamparam-pahefana nataon’ity ramatoa ity sy ny olona maro izay mitondra amin’izao fotoana izao. Ministera sy andrim-panjakana maro no voakasika amin’izany, ary minisitra maro no voalaza fa tsy maintsy hanaovana fanadihadiana momba iny raharaha iny ihany koa. Misy aza ny milaza fa ho tonga hatrany amin’ny fitondran’ingahy Ravalomanana Marc sy ny fanjakana tetezamita iny raharaha iny.

Raha firenena tena repoblikanina marina i Madagasikara dia tsy maintsy manova governemanta ingahy Hery Rajaonarimampianina. Tsy maintsy manova fihetsika ny mpitondra raha toa ka hanara-penitra marina. Raha ny tokony ho izy aza dia tokony hametra-pialana mihitsy io governemanta io ka hiditra amin’ny fanavaozana tanteraka. Be loatra ny filazana mahakasika azy ireo, ary efa ho tonga hatrany amin’ny fanadihadiana ataon’ny fitsarana izany.

Amin’izao fotoana izao dia milaza ny mpanohitra fa tsy maintsy haongana io fanjakana io fa tsy mety intsony hono. Ny TFI na ny Tolon’ny fanavotana ifotony dia efa mifamory ny amin’ny fomba hanatanterahana izany. Ny vahoaka koa efa leo tanteraka ny zava-misy amin’izao fotoana izao, fa tsy mahavita ny fitantanana ny firenena intsony io fanjakana io.

Noho izany dia misamboaravoara izay tsy izy ny raharaha pôlitika amin’izao fotoana izao ka sarotra ho an’ingahy Hery Rajaonarimampianina ny hanao ady an-kafetsena indray ka handrirarira ity fanovana ity. Izany no nataony tao anatin’ny valo volana mahery izay, ka na tiany na tsy tiany dia tsy maintsy miroso amin’ny fanavaozana ny governemanta izy raha toa ka mihaino ny feom-bahoaka ihany.

Jesy Rabelaolao

Nosy be Hell-Ville: Migadra enim-bolana ny filohan’ny filan-kevitra monisipaly

Misavoritaka ny eo anivon’ny kaominina Nosy Be Hell-Ville amin’izao fotoana izao. Nivoaka tamin’ny talata 18 aprily teo ny didim-pitsarana, migadra enim-bola an-tranomaizina sazy mihatra ny filohan’ny filankevitra monisipaly, atoa Amidou. Heloka nanamelohan’ny fitsarana any an-toerana azy ny fitarihana korontana na ilay ambara amin’ny fiteny frantsay hoe “Incitation au trouble”, raha ny tena marina anefa dia noho ny fiarovany ny tanindrazany no nanagadrana an’ity filohan’ny filan-kevitra monisipaly ity. Raha hiverenana kely ny fototr’izao raharaha izao dia misy tany mirefy hatrany amin’ny 230 ha, ao amin’ny fokontany Antsatrabovoa, no novidian’ny orinasa frantsay iray no namidy tamin’ny orinasa frantsay iray mitondra ny anarana hoe TERA INVEST. Tsy nanaiky ny namarotana an’io tany io anefa ingahy Amidou satria sady famoratana tanindrazana tsotra izao no sady tsy ara-dalàna ihany koa ny fomba nividianan’ity orinasa vahiny ity ny tany. Tsy voahaja ny dingana rehetra voalazan’ny lalàna fa tao anatin’ny fotoana fohy monja dia lafo ny tany ary nivoaka ara-dalàna ny “titre”. Niady mafy nisakana izany moa ity filohan’ny filan-kevitra monisipaly ao amin’ny kaominin’i Nosy Be ity ka noreseny lahatra tsy hanaiky an’io famarotana tany io ireo mpanolotsaina monisipaly mpiara-miasa aminy. Efa tamin’ny herinandro lasa teo izy no nosamborina ary nampidirina am-ponja vonjy maika rehefa niakatra fampanoavana. Milaza ho tsy hanaiky ny fanagadrana an’ingahy Amidou moa ny fikambanan’ny zanak’i Nosy Be ka hiakatra eto Andrenivohitra ary hiantso mpanao gazety hanazava ny zava-misy marina momba ity raharaha ity. Marihana fa saika efa lasan’ny Frantsay sy Italianina daholo amin’izao fotoana izao ny tany ao Nosy Be izay hamidy amin’ny vidiny mora, mba tsy hilazàna hoe atao varoboba amin’ireo vahiny.

F.Tsihiavonana

Comments are now closed for this entry