Minisitra Hvm: Hiakatra fitsarana anio noho ny fanitsakitsaham-bady

Isan’ny heloka sazian’ny fehezan-dalàna famaizana ny fanitsakitsaham-bady, ary maro ny olona efa voaheloka momba izany, na teto amintsika na tany ampita tany, indrindra fa any amin’ny firenena tsy mankato ny fanambadiana afa-tsy iray.

Ny minisitra teo aloha nisahana ny filaminam-bahoaka, Anandra Norbert, ohatra, dia fantatra amin’ity anio ity izy sy ny sakaizavaviny no hatao fanadihadiana ary mety hiakatra eo anivon’ny fampanoavana. Notorian’ny vady ara-dalànan’i Anandra Norbert izy ireo, ka io resaka fanitsakitsahan-tokantrano io no fotony.

Dia manara-maso ny fivoaran’ity raharaha ity isika.

Comments are now closed for this entry