Masoivoho Frantsay: Inona indray no hambarany anio ?

Homarihina anio zoma ny fetim-pirenena frantsay satria mitsingerina anio ny faha-228 taonan’ny «Revolisiona frantsay» tamin’ny 1789.

Hitodika eny Ivandry, tranon’ny masoivohom-panjakana frantsay eto Antananarivo indray ny mason’ny mpanara-baovao pôlitika satria eny, toy ny isa-taona, no hanasan’ny masoivoho frantsay ny olo-manan-kaja, sivily sy miaramila, hatramin’ny tompon’andraiki-panjakana malagasy.

Rehefa mikabary ny masoivohom-pirenena frantsay eto amintsika dia saika mitondra teny mavesatra hatrany. Mety ho fankasitrrahana ny tranga niseho izy amin’izany. Ohatra : ny fahavitan’ny fivoriana an-tampon’ny tany mampiasa ny teny frantsay teto Madagasikara tamin’ny volana novambra lasa teo. Mety hitondra fanamarihana miendrika fanakianana sy tsikera « diplaomatika » ny fomba fitantanana ny firenena koa ry zareo. Ny azo antoka aloha dia tsy hangina ny masoivoho frantsay teo anoloan’ny fakana takalon’aina an-keriny nihatra tamin’ireo teratany frantsay teto tao ho ao. Mety hanan-kambara koa ny masoivoho frantsay amin’ny tontolon’ny zon’olombelona, ny kolikoly avo lenta, izay mahabe resaka ny maro. Mety hitondra resaka kely koa izy amin’ireo nosy malagasy mbola bodoin’ny Frantsay ao amin’ny lakandranon’i Mozambika (Iles Eparses), indrindra fa vao nisy ny fanambarana na fepetra noraisin’ny governemanta frantsay ka nambaran’ny minisitra Nicolas Hulot fa « miato avokoa ny fahazoana alalana hitrandraka any amin’ireo tany ampitan-dranomasina eo ambany fitantanan’ny fitondrana frantsay ». Isan’ny tafiditra ao anatin’izany ireo Nosy malagasy efa notoavin’ny Firenena Mikambana tamin’ny 1979 fa an’i Madagasikara nefa mbola bodoin’i Frantsa hatramin’izao ary nametrahany tobim-pamaharana miaramila mihitsy, toy ny ao Juan de Nova.

Ajouter un Commentaire