Fiainam-pirenena : Mihena isan-taona ny hasin’ny tolom-bahoaka

Raha ny toerana misy an’i Madagasikara amin’izao taona 2017 izao, 57 taona aty aorianan’ny nahazoana ny fahaleovantena, dia azo ambara fa maty momoka na matimaty foana fotsiny ireo Malagasy izay nitolona ho an’ity firenena ity na tamin’ny taona 1972,1991, 2002 ary ny taona 2009. Ny antony dia hiarahan’ny rehetra mahita ankehitriny fa tsy nitondra na inona teto amin’ny firenena ny tolom-bahoaka izay namoizana ain’olona maro. Tsy nisy tamin’ireo mpitolona hatramin’izay angamba no naniry an’i Madagasikara ho lasa firenena faha 5 mahantra indrindra manerana izao tontolo izao. Ny zava-misy anefa ankehitriny dia tsy vitan’ny hoe very maina fotsiny ny herimpon’ ireo mpitolona teto amin’ity firenena ity hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena fa mihena isan-taona ihany koa ny hasin’ny tolom-bahoaka nisy teto amitsika. 10 aogositra ny andro androany, daty natao hatsiarovana ny tolona sy ireo Malagasy lavo nandritra hetsi-bahoaka, tamin’ny taona 1991. Raha ny fantatra dia tsy misy na iray aza ny hetsika natao hanamarihana izany tolom-bahoaka izany kanefa mbola betsaka tamin’ireo lohandohany no mpitari-tolona tamin’io taona 1991 io no mbola velona soamatsara amin’izao fotoana izao. Ny filohan’ny antoko Masters, Alain Ramaroson, no tonga mametraka fehezam-bonikazo etsy amin’ny araben’ny fahaleovantena isan-taona, ity farany anefa izay mbola mamita sazy any am-ponja ary tsy hivoaka raha tsy amin’ny taona 2019. Asa moa raha hisy mpanao politika Malagasy hafa no ho avy etsy amin’ny araben’ny fahaleovantena amin’ity androany ity ka hanome voninahitra sy hasina an’izany tolom-bahoaka tamin’ny 1991 izany. Tsy ny tolona tamin’io taona io ihany fa na ny hetsi-bahoaka tamin’ny 2009 aza dia hita fa miha very hasina isan-taona. Ary ny tena mahagaga anefa dia ireo mpitolona tamin’izany fotoana izany ihany no tsy manisy hasiny intsony ny tolona nataony, manaporofo izany ny fizarazarana misy eo anivon’ny AV7 na ny fikambanan’ireo niharam-boina tamin’ny 7 febroary 2009. Toe-javatra izay mety tsy fahita eran-tany raha tsy eto amin’ity Madagasikara ity.

F.T.

 

Ajouter un Commentaire