José kely : Namoaka boky hisintonana ny sain’ny Malagasy

Tao anatin’ny volana vitsy izay dia tsy nitsahatra naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaha misy eto Madagasikara na eo amin’ny lafiny politika, toekarena, indrindra fa ny lafiny sosialy, ingahy José Michel Andrianoelison izay fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe “José Kely”, minisitry ny fambolena sy mpanolontsain’ny amiraly Didier Ratsiraka, tamin’ny repoblika faha 2. Ankehitriny kosa dia namoaka boky kely izay nampitondraina ny lohateny hoe “Nosy Sambatra” ny tenany, hisintonany ny sain’ny olom-pirenena Malagasy rehetra mba handray ny andraikitra tandrify azy sy hiara-hientana amin’ny fanarenana ny firenena iombonana. Raha fintinina ao anatina fehezanteny iray dia mino sy mahatoky ny mpanoratra na ingahy José Kely fa ho Nosy sambatra ity Madagasikara ity, honenan’ny vahoaka sambatra sy masi-mandidy eo amin’ny tanindrazany. Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena sy ny isan-tokantrano amin’izao fotoana izao, lavitra ny Malagasy ny miadana amin’ny harem-pireneny, lavitra azy ny ho finaritra manoloana ny gaboraraka misy eo amin’ny fitantanan-draharaham-bahoaka, ary lavitra ny Malagasy ihany koa ny nampanantenain’ny fahaleovantena sy ny fiandrianam-pirenena. Mampanontany tena ny zava-misy eto amin’ity Madagasikara ity, hoy i José Kely. “Inona no nitranga ka vahoaka tokony hiadana sy ho finaritra, firenena tokony ho sambatra no tonga amin’izao kizo fara izao? Aiza ny olonkendry? Aiza ny manam-panahy? Aiza ny mpino matahotra an’Andriamanitra? Ary aiza ny Malagasy sy ny tia tanindrazana?”, fanontaniana hapetraky ny mpanoratra manoloana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Madagasikara sambatra onenan’ i Malagasy sambatra no ventesina amin’ny fiverenan’ny hiram-pirenena sy amin’ny tononkira atao ho fangataham-pitahiana ho an’ny Tanindrazana. Tsy ho nofy fotsiny anefa ny hatongavana amin’izany vina sy tanjona izany raha toa ka manova toe-tsaina ny Malagasy ary miaraka mifarimbona amin’ny asa goavana miandry azy, dia tsy inona izany fa ny fanarenana ny firenena ka hametraka azy amin’ny toerana sahaza azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. “Laharam-pamehana ary tsy azo hidovirana ny fanovàna ny rafitra raha tiana ny hatongavana amin’ilay Madagasikara sambatra onenan’ny Malagasy sambatra. Anisan’ny lehibe amin’izany ny fanomezana fahefana ny faritra tsirairay avy eto amin’ity Nosy ity. Mila faranana hatreo ny toe-tsaina izay mametraka ny fanjakana ho raiamandreny dadabe noely raha tiantsika ny hizaka tena isam-paritra, sy ny isam-pokotany. Tapitra hatreo ny fanjakan’ny baroa raha tiantsika ny hampandry fahalemana ny tany sy ny fanjakana, mba hiverenan’ny filaminana sy ny fifampitokisana. Tapitra hatreo ihany koa ny “andraso-andraso” sy ny “mora mora” raha tiantsika ny handresy ny kolikoly ka ho voaharo ny tontolo iainana ary hanana asa ny tanora”, hoy ihany ny mpanoratra ao anatin’ny boky. Raha mijery ny zava-misy eto amitsika aloha hatreto dia toa lavitra tanteraka an’izany nofy izany ny toe-javatra iainan’ny vahoaka ankehitriny. Fahantrana, habadoana, aretina, halatra, vonon’olona, halatr’omby, sns . . . no mbola iainan’ny vahoaka Malagasy an-davan’andro. Fandriampahalemana tsizarizary, fitiavan-tena, fifanambakan’ny samy Malagasy, fanjakan’ny herin’ny vola no manjaka amin’ny fiaraha-monina. Tsy resahina intsony ny fijalian’ny tantsaha sy ny mpiompy, ary ny mpandraharaha na any ambanivohitra na an-tanàn-dehibe izay fototry ny famoronan-karena. Na eo aza izany olana rehetra izany izay vato misakana ny fandrosoana dia mino sy mahatoky i José Kely fa afaka miaraka ny zanak’ity Nosy ity rehetra, hanatanteraka ny fitodihana indray amin’ny zotra mitondra ny firenena amin’ny fahasambarana . Ahitàna tononkalo roa moa ao anatin’io boky io, dia ny tononkalo nosoratan’i Rado mitondra ny lohateny hoe “Boboka aho ry Tanindrazako” sy ny tononkalo nosoratan’ny Felana Maitso LMR, “Fahatsiarovan-tena”. Niniana nampidirina ao anatin’ny boky ireo tononkalo ireo satria mahalaza mivantana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’ny teny notsongaina, ary miantso ny fandraisana andraikitra sy ny fanandratana indray ny hasin’ny maha-Malagasy.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire