|
Velon-taraina ankehitriny ny fianakaviamben'ny mpiasa ao amin'ny valan-javaboaharin'i Tsimbazaza ao. Ny antony dia "ny nantenain-kanirina indray no mampivandravandra", hoy izy ireo.
Raha ny fanazavan'ireto mpiasan'ity sehatra hikarohana sy fitehirizana ny zava-boahary mampiavaka an'i Madagasikara ity dia olona nandrandrain'izy ireo no mitantana ity valan-javaboahary ity taorian'ny tolona 2009 teo. "Izahay mpiasa ihany tokoa aloha no nanolotra azy ka notendren'ny minisitra Julien Razafimanazato", hoy ireto mpiasa. Mbola niaraka ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ambony tamin'izany, ary ao anatin'ny ministeran'ny fikarohana siantifika sy ny fampianarana ambony ity valan-javaboaharin'i Tsimbazaza ity. Tsy ny fiovana nandrandraina anefa no niseho raha ny fitantanana ny valan-javaboaharin'i Tsimbazaza ihany no asian-teny, hoy ireo mpiasa, fa ny fiverenan'ny jadona sy ny fanamparam-pahefana mbamin'ny fanodinkodinana isan-karazany. Ny ohatra notsongain'ireo mpiasa, ohatra, dia raha voafaritry ny satan'ity valan-javaboahary ity fa ny tonian'ny departemanta izay mitovy laharana amin'ny lehiben'ny sampandraharaha (chef de service) any anivon'ny ministera no hany afaka mampiasa ny fiarakodiam-panjakana ampiasain'ity vala ity dia olon-tsotra toy ny mitantana ny tapakila fahazoana solika no manapaka sy mandidy amin'ny fiarakodia ao satria nahazo vahana avy amin'ny tale tomponandraikitra ao. Ny mpamily moa dia voaterin'izy ireny manatanteraka ny filany manokana ivelan'ny asa ary amin'ny andro tsy fiasana. Miseho lany ao amin'(ity valan-javaboahary ity koa ny fanomezana tolotrasa (marché) ho an'ny "namanamana" fa tsy mandalo ny fepetra takian'ny lalàna (appel d'offre). Ny fanararaotana ny iraka ampanaovina ny tomponandraikitra mandeha any amin'ny faritra (mission) moa dia tsy hita ambara intsony, hoy ihany ireto mpiasa eny Tsimbazaza, satria dia misy ny kiantrano an-trano ka zary mandray tambin-karama indroa miantoana amin'ny anton-dia iray ny olona irahina, ary manome "sara" avy amin'izany ho an'ny "lehibe". Manjaka koa ny kiantrano antrano amin'ny fampidirana mpiasa, izay tena tsy mazava ary tsy mba ijerena ny satan'ilay olona ampidirina hiasa akory koa. Nisy koa ny fanatsikafonan'ny mpiasan'ity valan-javaboahary ity ny raharaha maloto mampieritreritra ataon'ny tomponandraikitra ao. Ohatra nambaran'ireto mpiasa velon-taraina ny tsy fahazavan'ny vola avy amin'ny fianakaviana Ducary, izay voalaza fa hananganana tsangam-bato ho fahatsiarovana an'io manam-pahaiazana vahiny nahavitabe tao Tsimbazaza io. Tsy mazava ny raharaham-bola momba an'izy io ka nahatonga ny mpiasa ao amin'ity vala ity hametra-panontaniana hoe "taiza marina no narotsaky ny fianakaviana Ducary ny vola nomen'izy ireo?" Izany fanamboarana fiarakodian'ny valan-java-boahary izany moa dia nampihivingivin-doha mihitsy an'ireo mpiasa satria toa tsy ara-pahamarinana ny faktiora hita izay mirakitra ny sandan'ny fanamboarana ny fiara simba. Voatsikafon'ny mpiasa hatramin'ny fitondran-tenan'ny talen'ity valan-javaboahary ity, ka anairan'izy ireo ny tomponandraiki-panjakana mba hanao fanadihadiana sy famotorana ny momba ny fitantanana izany, ary itakian'izy ireo mihitsy ny hanoloana ny tale ao fa tsy araka ny nantenaina taminy no setriny ankehitriny. |