Raharaha Hiary Rapanoelina: Nisintona ny fitoriany ny sendikan’ny artista

Niverina tamin’ny fanapahan-keviny ny sendikan’ny artista Malagasy ka nisintona ny fitoriana nataony ho an’ilay mpanakanto Hiary Rapanoelina, izay tompon’andraikitra voalohany an’ilay vondrona antsoina hoe “fifosana hanatsarana ny pipoles Gasy” ao anatin’ny tambazotran-tserasera sosialy Facebook.

Inty sy Nday: Tenin-dreny, teny ibeazana

Nomarihina sy nankalazaina omaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny. Ho antsika teto Madagasikara dia ny Akademiam-pirenena momba ny teny no mba nanao valan-dresaka sy fampirantiana momba izany tenin-dreny izany fa ny fitondram-panjakana dia efa voadoroky ny tenin’ny mpanjanaka ny lohany ka tsy tsaroany akory fa misy izany « Andro 21 febroary izany ».