Nisesisesy, tato ho ato, tao amin’ireo fahitalavitra tsy miankina ny horonan-tsary fanadihadiana mahakasika an’i Dubaï. Nahavariana no sady nampitsiriritra ny sary nivoaka sy ny fanazavana nanaraka azy.
Niteraka ady hevitra sy fifandroritana teto amin’ny tany sy ny firenena ny fampiharana ny andininy faha-14 ao amin’ilay lalàna manome hery ara-panjakana ilay Tondrozotra,
Lehilahy miisa roa izay tsy zoviana amin’ny mpivarotra sy ny mponina eny an-toerana amin’ny fanendahana sy fanaovana harom-paosy no voasambotry ny mpitandro ny filaminana eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborin-tany fahadimy ny alarobia lasa teo.
Ny faha-22 novambra 2012 no nanombohan’ny tetik’asa Lalankely izay eo ambany fiahian’ny lefitry ny primatiora misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany.
Very olo-manga iray indray i Madagasikara satria omaly hariva dia re fa nodimandry tany Parisy, renivohitr’i Frantsa teo amin’ny faha-83 taonany ny pastora Andriamanjato Richard.