La Gazette de la grande ile

Manampahaizana : Mangina tsy nahateny intsony

Publié le 05 décembre 2022

Nangina tsy miteny ny manampahaizana Malagasy eo anatrehan’izao fahapotehan’ny firenena izao. Viraviran’ny bado sy ny dondrona ny firenena. Ny mpangalatra sy ny mpamono olona ary ny mpanao kolikoly no tompon’ny firenena ankehitriny.

Fotoana ilana ny manampahaizana izao. Ilaina ny fitenenan’izy ireny fa tsy tokony hitazam-potsiny ny fahavoazana lehibe mahazo ny firenena izao izy ireny. Any amin’izy ireny ny fahalalana sy ny fahendrena. Mitady ny olomangany ny firenena dieny mbola tsy letika tanteraka. Ny vahoaka koa tokony ho tonga saina amin’izao fahavoazana lehibe mianjady amin’ny firenena izao. Fahantrana sy kere no mahazo ny faritra atsimo sy atsimo atsinanana ary ny atsimo andrefana raha toa ka ny tany atsimo ihany no azon’ny kere ity teo aloha. Maro no zavatra tsy mandeha eto.

Raha tena tia tanindrazana marina ary vonona hanarina ity firenena ny mpitondra ankehitriny dia tokony hiara miasa amin’ireo manampahaizana sy manampahalala ary olon’ny fahendrena ireo. Mbola tsy tara izao hahazoana manarina ny tsy mety natao teo aloha mba tsy hanenenana aorianakely ao.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi