Publié le 05 décembre 2022
Isan’ny voambolana nahafantarana ny fitondrana ankehitriny ny hoe « manara-penitra ». Inona moa ilay fenitra ambara ? Matetika dia hoe « fenitra iraisampirenena ». Izany hoe ny zavatra eo amin’ny sehatra iraisampirenena izany no alain-tahaka. Raha trano aorina dia mba hary fomba sy manaja ny fepetra ara-teknika fanaovana azy.
Ny mahalasa fisainana dia toa maharitra sady mafy noho ny asa atao amin’izao fotoana ka lokoina amin’ny hoe « manara-penitra » ny fotodrafitrasa fahiny. Arahomaso avokoa na trano na tetezana na toho-drano, na inona na inona. Mateza sy mafy kokoa ny vita fahiny. Ny tranon’ny ntaolo fotsiny, ohatra, izay tsy misy simenitra nampiasaina na iray sotro aza, misy rihina roa tamin’ny ankapobeny, fa maro no nahatratra 100 taona. Ny trano vita aty ambadiky ny 40 taona anefa, nampiasana simenitra sy vy (betton) ary vody vato, toa efa mitady hikoro sahady.
Dia mitodika any amin’ny mpitondra fanjakana ny fisainana e ! Saika voafiran’ny vava hatrany ny hoe « manara-penitra » rehefa miresaka. Tamin’ny fitondrana Ravalomanana dia ny hoe « ataovy matihanina » na « professionnel » no nalaza. Misy ny fotodrafitrasam-panjakana nambara fa manara-penitra no tsy ahitana taratra ny fahamarinan’izany. Ilay tranon’ny ministeran’ny serasera sy ny kolotsaina tany Morondava, ohatra, dia iray azo ifampifehezana ny amin’izany. Vao vita dia nikoro hatrany ifotony. Miangavy antsika koa hijery ny Hopitaly « manara-penitra » etsy Andohatapenaka, dia hahita isika raha io no ambara fa « manara-penitra ». Misy vitsivitsy amin’ireo sekoly fanabeazana fototra (Epp) izay nambara fa manara-penitra koa no mitriatra sahady nefa tsy mbola nisy herin-taona. Eny amin’iny lalana Ny Avana Ramanantoanina eny Andranomanalina Isotry iny izao, vao volana vitsy no namboarina, natao simenitra sy vy ny lakan-drano amin’ny sisin-dalana, nefa tsy manary rano akory.
Ny fanaraha-maso no hita matetika fa tsy misy, ary amin’ny fotoana anaovana ny fandraisana ara-teknika (reception technique) an’ireny fotodrafitrasa ireny dia saika fomba sy endrika ivelany fotsiny fa tsy misy fitiliana tena hentitra. Tsy mahagaga satria nisy kopaka nisasahana tamin’ny tolotr’asan’ny tsenam-baro-panjakana (passation de marché public) tao.
Noho izany, raha tiantsika tena hanara-penitra ny fotodrafitrasa atao dia takiana ny hanaovana ny fanaraha-maso entitra sy ny fitiliana tena matotra. Rehefa tsy mamaly ny fepetra ara-teknika tokony ho izy dia esorina amin’ilay mpiantoka asa (entrepreneur) ny asa ary asaina onerany ny sandan’ny asa efa noraisiny, ka tsy tokony ho afa-bela amin’izany koa ny orin’asa natao hanara-maso sy hiantoka ny fitiliana ilay fotodrafitrasa. Volam-bahoaka no lany amin’ny fanatanterahana azy ireny nefa toa vitavita fotsiny ilay asa, ary na simba afaka iray volana aza dia tsy misy arakaraka fa resaka fotsiny ny hoe « iantohana telo taona na herin-taona na enim-bolana io asa vita io ».
Tsorina fa matetika dia kolikoly no ao anatin’ireny tranga ireny. Kolikoly koa mantsy ny kinamanamana eo amin’ny fifanolorana tsenam-baro-panjakana. Ny vahoaka izao volosana toy ny inona amin’ny hetra nefa ny volam-bahoaka lanilany tsy misy antoka amin’ny fanaovana fotodrafitrasa, izay tsy zarizary. Mainka fa ho voahaja ara-pahamarinana ny harem-pirenena eto, izany hoe ho voantoka tsara ny vola hoenti-manana ny fikarakarana ny vahoaka, fa ny fitantanana azy no hanjakan’ny kolikoly avo lenta, tsy azo ekena.
Tohanana