RODOBE MALAGASY TIA TANINDRAZANA HO AMIN’NY FANORENANA (RMTF): Sy ireo Vondrona Pôlitika miara-dia aminy: VESATRY NY FRANKOFONIA MAMONO NY MALAGASY

I MADAGASIKARA dia mizaka ny tsy eran’ny aina amin’ny fiantsorohana ny Fihaonamben’ny Frankofonia eto Antananarivo. Ny Mpitondra Fanjakana ankehitriny tarihin’i Hery Rajaonarimampianina no nidedadedaka nandray io Fihaonambe io. Volam-bahoaka tsy toko tsy forohana no lany amin’izany: anjatony miliara ariary !!! Tsy mitera-bokatsoa ho an’ny Malagasy anefa izany fa ny paosin’ireo mpitondra sy mpiara-dia aminy no feno.

Miharihary fa ny ankamaroan’ny Vahoaka sy ny Firenena Malagasy dia tafalatsaka ao anatin’ny fahantrana mangitsokitsoka: ny mahantra lasa fadiranovana, ny mpandraharaha Malagasy mitsipozipozy sy  mikororosy fahana, ny harem-pirenena voaroba antsokosoko.

Ankoatra izany, ny mpitondra fanjakana ankehitriny dia tsy miady akory ny hamerenana ireo Nosy Malagasy bodoin’ny FRANTSAY, izay mpitarika ny Frankofonia. Ireo Nosy ireo anefa dia mety hahazoana ny vola hilaina amin’ny fanafoanana ny fahantrana sy hampandrosoana an’ i Madagasikara ao anatin’ny fotoana fohy.

Koa manentana antsika Malagasy izay tonga saina rehetra ny RMTF sy ireo Vondrona Pôlitika miara-dia aminy hiaraka hanao :

FIHAONAMBE HANAMBARANA NY FANOHERANA IZANY FAMONOANA IZANY

Zoma 25 Novambra amin’ny 9 ora

Ao amin’ny Foibe AKFM ao ANDRAVOAHANGY Ambony

Ajouter un Commentaire