Fanadihadiana - Fenovola ivato vohipeno:: Fanambadian’i Ramasitrakarivo Martin Gérard, Ndrenogny ampanjakana sy Ravelonirina Lydia
Nanana ny nampiavaka azy manokana tokoa ny fanambadian-dramasitrakarivo martin gérard izay ndrenogny ampanjaka anteony, lehiben’ny mpanjaka rehetra ao amin’ny foko antemoro, ao vohipeno. Ity ampanjaka ity no ao amin’ny lapan’i fenovola ivato ao vohipeno ankehitriny. Tarana-dramasitrakarivo izay ampanjakabe ny antemoro manontolo ity ampanjaka ity. Nampaka-bady an-dravelonirina lydia izay avy amin’ny antemoro-zafirambo avy ao ankily vohitramba ity mpanjaka ity tamin’ny atalata faha 25 oktobra 2016 lasa teo, araka ny fanambadiana amin’ny fomba antemoro.
Ny Fialovagny: Ny “fialovany” na “fialovagny”dia fomba lehibe
indrindra amin’ny fanambadiana antemoro. Mihoatra lavitra noho ny mariazy any ampiangonana sy any amin’ny fanjakana (kaominina) izy ity araka ny fomban’ny Antemoro. Raha toa ka vita fomba amin’ny fiangonana sy ny fanjakana ka tsy nahavita ity fomba ity dia tsy eken’ny fiaraha-monina any amin’ity faritra ity velively.
Ny nampiavaka manokana ity fanambadiana ity
Ny Ndrenogny na ny Ampanjaka dia mazana efa vita fanambadiana amin’ny fomban-drazana izay vao miaka-dapa. Ka raha ny tokony ho izy dia efa nahavita ity fomba ity Ndrenogny Ramasitrakarivo Martin Gérard izay ampanjaka ao Fenovola Ivato Vohipeno amin’izao fotoana izao. Tsy izany anefa no nitranga fa natao aloha ny fanandratana azy ho ampanjaka. Rehefa vita izany vao izay izy no nisafidy izay ho vady hiaraka aminy ao amin’ny lapa ao Fenovola Ivato ity araka takian’ny fomba sy ny fiandrianana any Antemoro. Tsy maintsy olona araka ny fomba no voalaza fa miaraka aminy amin’izany. Naharitra volana maromaro no tsy nisy nanana Ndrenogny vavy ny tao Fenovola ka nisy tamin’ireo tandapa aza no efa tezitra tamin’izany. Misy ny efa nikasa mihitsy ny hanontany ny ampanjaka ny amin’ny antony tsy mbola anambadiany. Ny volana aogositra 2016 anefa no nanap-akevitra haka vady an-dravelonirina lydia izy. Nisy ny dingana vita tamin’izany araka ny fomba, nefa tsy mbola lavorary izany raha tsy vita ny “Fialovagny”. Izany indrindra no nisafidianany ity ndrenogny vavy Ravelonirina Lydia avy ao vohitramba avy amin’ny foko “Zafizambo” izay avy amin’ny lahimatoan’i ramarohala tamin’ny zanany 12, izay razamben’ny anteony. Tsy kisendrasendra hoy Ndrenogny Ramasitrakarivo Martin Gérard ny fanambadiany fa noho ny tendrin’ny zanahary. Nisy moa ny tantara fohy nilazany izany ary nanaporofoiny izany.
Ny fomba fanatanterahana ny fanambadian’i Ndrenogny
Tamin’ny 8ora 30 nanainga ny mpangata-bady avy eny Fenovola ivato ny Atalata faha 25 oktobra 2016. Ny rahalahin’i Ndrenogny antsoina hoe Marc brian no nisolo tena ny ampanjaka tamin’ny fangatahana teny Ankily Vohitramba misy an-dRavelonirina Lydia. Marihina fa ny ampanjaka Ndrenogny Ramasitrakarivo Martin Gérard dia tsy mahazo mangata-bady na miseho vady fa tsy maintsy ny solotenany ihany no manao izany. Delegasionina maro no niaraka taminy tamin’izany avy ao an-dapa, ka nahitana koa ny “anakavy amin-dreny” marobe. Izy ireo no nitondra ny omby, ny vola, ny akoholahy ny vary ary zavatra hafa koa izay tsy maintsy entina amin’ny fomba fanao amin’ny zavatra toa izao. Manana ny toerany manokana amin’ny fomba toa itony ny akoholahy. Rehefa vita ny fangatahana rehetra dia io akoholahy io no ataon’ny olona rehetra laokan’ny vary hohanin’ny olona manatrika ny fanambadiana avy amin’ny roa tonta. Nahagaga fa ampy ny olona 100 mahery izay nanatrika ity fomba ity ilay akoholahy iray tamin’izany.
Rehefa vita izany dia namaly indray ny ray aman-drenin-dravehivavy ka nampitondra vantotr’akoho iray sy vary 16 kapoaka ary sira ho an’ny mpanambady vao ho entina eny amin’ny lapa. Ny mpanjaka Zafirambo Ramaro Noël tao ankily ary ny ray aman-dreny ao amin’ny tranobe na “fandragne Zanakatenosy” ao amin’i Iaban’i David izay nahitana an’i Botosiny sy Robson Jean Prosper no solon-tenan’ny ray aman-dreny rehetra teo an-tanàna nandray ny fangatahana rehetra araka ny fomba fanao.
Tamin’ny fomba nentim-paharazana tanteraka no nanatontosaina ity fanambadiana ity izay marihina fa tsy nanasana olona hafa ankoatra ny fianakavian’ny roa tonta ihany. Mihaja sy feno tanteraka nefa izany fomba izany, ary mendrika ny maha fanambadian’ny ampanjaka azy.
Tantara fohifohy mikasika ny fanjakana anteony: Ny Fanjakana Antemoro-anteony dia nanomboka
tamin’ny taona 1504. Ao Fenovola-Ivato Vohipeno no misy azy. Taranak’ilay mpanjaka Jiosy-Arabo nifindra monina teto Madagasikara antsoina hoe Ramakararo izy ireo, tokony ho tamin’ny taon-jato faha-XIII tany ho any. Ny Fanjakana anefa dia nanomboka tamin’ny andron’ny Ampanjaka Ramarohalatao amboabe. Ramasitrakarivo no anarana ifandimbiasan’ny ampanjaka ao Fenovola-Ivato Vohipeno ankehitriny, izay tarana-dra Besarivo izay nanjaka tao Fenovola. Marihina fa ao Fenovola no andehan’ny olona haka tso-drano ka hitondra eto Madagasikara hatramin’ny andron’ny faha mpanjaka teto imerina ka hatramin’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara hatramin’izao.
Jesy Rabelaolao