Teboka iray ipoiran’ny ady hevitra eo anivon’ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena ny tontolon’ny fitantanana izany raharaham-pirenena izany amin’ny sehatry ny fihariana, na ny fampandrosoana ara-toekarena.
Tamin’ny zoma teo, nandritra ny lahateny nataon’ny filohampirenena Rajaonarimampianina dia isan’ny nambarany ny hoe « Tsy andraikitry ny fitondrana loatra intsony ny manangana orinasa fa andraikitry ny mpandraharaha tsy miankina izany. Ny andraikitry ny fitondram-panjakana dia ny manatsàra ny tontolon’ny fiharian-karena sy ny fitsinjarana ara-drariny sy hitsiny ny harin-karem-pirenena. »
Notsongainay io andalana io satria goavana ny toerana tokony hisy an’io hevitra io eo amin’ny tontolon’ny raharaham-pihariana.
Marina ary ekena tokoa fa tsy andraikitry ny fitondrana intsony ny manangana orin’asa », saingy tokony ho fantatra tsara koa, ary tsy tokony hadinoin’ny filohampirenena fa « misy an’ireo orin’asa iankinan’ny aim-pirenena (secteur stratégique), izay mamatotra andraikitra ny fanjakana ny fiahiana azy hatramin’ny farany. Tsongainay amin’izany ny Jirama, ny Air Mad… Mba tsy amidy, ohatra, na homena hopotehin’ny vahiny, toa ny nataon-dRavalomanana tamin’ny 2005-2008, sy izao afitsoky ny fitondrana Rajaonarimampianina izao amin’izy ireo.
Nahoana koa no hamidy ka itetehana tsikombakomba maloto ny paositra sy ny fitehirizam-bola « caisse d’epargne » ?
Nosoritan’ny filohampirenena tamin’ity teboky ny fihariana amin’ny orin’asa ity koa ny hoe « Ny andraikitry ny fitondram-panjakana dia ny manatsàra ny tontolon’ny fiharian-karena sy ny fitsinjarana ara-drariny sy hitsiny ny harin-karem-pirenena. »
Tena marina ary tena manao an’izany ve ny fitondrana ankegitriny. ?
Moa tsy mampanjaka ny tsikombakomba sy ny kolikoly ny mpitondra ? Isan’ny tafiditra tao anatin’ny seha-pihariana ange ny fanomezana asam-panjakana na « marché public » e ! Io sehatra io ihany no horesahina dia hampibaribary fa manao kobaka ambava ny filoha. Moa tsy Razaimamonjy Claudine no tena mibaiko amin’io sehatry ny « asam-panjakana » io ? Dia noho ny fananany tolotra (soumission) tsara indrindra amin’ny fanokafana an’ireny tsenan’asa (offre) ireny tokoa ve ahazoany ny fiantohana ny asa ? Hogadraina ve izahay raha milaza mivantana fa « kolikoly avo lenta » no ao anatin’izany ?
Dia manaja inona amin’izany, hono ny fanjakana, araka ny voalazan’ny filoha ?
Fitsinjarana ara-drariny sy hitsiny ny harem-pirenena, koa, hono. Ô ry vahoaka ô ? Fa ny sakoroka vao nitranga omaly ka nahafatesanha zandary iray tany Anjozorobe, izay nireharehan’ny zanak’i Mavoloha ve dia manaporofo ny fisian’io « fitsinjarana ara-drariny ny harem-pirenena » io ?
Lokanga tsy atao ka mahabe voatavo, hoy ny Pastora Andriamanjato izay.