Raha nampametra-panontaniana ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ny anton’ny tsy fahombiazan’ny fitondrana tato amin’ity Repoblika fahefatra ity dia miha mazava aminy ny amin’izany amin’izao fotoana izao. Raha nametraham-panontaniana, omaly, ny amin’ny antony nizarazaran’ny HVM, antokon’ny eo amin’ny fitondrana, an’ireo toeran’ny filohan’ny andrim-panjakana sy ny toerana sasantsasany ao ambony ao dia nahazoana ny valiny hoe mba hahafahany mamotika ireo antoko “notolorana” ny fanomezana ireo. Nazava tokoa ny nahazo ny antoko Leader Fanilo izay “nandray” ny Antenimierandoholona; teo koa ny amin’ny nanomezana toerana minisitra ny antokon’ny mpitondra tany aloha, ary io hita fa “miteraka fifampiahiahiana” eo amin’ny mpiara-dia aminy ny nanendrena ny “Ratsirakiste” Honoré Rakotomanana ho filohan’ny Antenimierandoholona. Tany aloha tany koa isika teto dia efa nilaza ny hoe olona hanaiky hanatanteraka ny baiko kanefa tsy hanohintohina na hanaratsy endrika ny antokony no nomena toerana, izany hoe raha misy ny tsy mety dia mora ny manatolaka ny “raharaha” any amin’ny antoko na ny fikambanana niaviany. Tsy voamarina ve izany raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao no jerena ê?... Ny praiminisitra Ravelonarivo, ohatra, amin’izao fotoana izao no toa voasoketa ho tsy “nahavita azy”, araka ny fitenenana, ka hosoloina… kanefa afaka nanatanteraka ny vitany ve io olona io raha tsy nanana ny ho nenti-nanana ho nanaovana izany satria ny any an-tampony mihitsy no tsy atokisan’ny tokony ho namatsy vola sy nanome fanampiana?... Asa ê…

Ho voafehy avokoa izany izao ny andrim-panjakana rehetra fa tsy maintsy hisy “mahatoky” tsy avy ao amin’ny antoko indray hotendrena hitantana ny governemanta. Raha ny fahitana azy anefa dia tsy hijanona eo izany “fifehezana” ny fitantanana ny raharaham-pirenena izany, satria raha ny re tato ho ato dia hotendren-dry zareo ao amin’ny fahefana mpanatanteraka ao koa, avy amin’ny alalan’ny mpiasampanjakana napetrany hifehy ny fari-piadidiana isanisany any, ireo sefom-pokontany fa tsy hofidin’ny fokonolona. Mazava ho azy fa tsy maintsy ny “mahatoky” toa ny voalaza tery aloha no hapetraka amin’ny toerana… dia iza!

Ny fanontaniana àry dia ny hoe inona moa izany izao no maha olom-pirenena ny vahoaka eto amin’ity Nosy Madagasikara ity ê?... Mipetraka ny fanontaniana satria fony nasaina nifidy izy dia sarintsarim-pifidianana ihany no nisy satria tsy nahitana taratra an’izany safidiny izany mihitsy raha ny firafitry ny birao maharitra mitantana an’ireo andrim-panjakana isanisany, ohatra. Rehefa ny mpifidy “vaventy” indray no nanao ny fifidianana dia… ireny niaraha-nahita ireny ny fandehany fa teritery sy hosokosoka no nanjaka. Ho avy koa ny fifidianana ny any amin’ny Faritra dia… efa ampoizina koa ny ho vokatra ê.

Amin’izao fotoana izao izany dia hoesorina eo amin’ny olom-pirenena koa ny fahefana faran’izay kely tokony hananany, dia ny hifidy izay olona ho “sefo” eo amin’ny faritra kely iainany, dia ny fokontany izany. Miverina indray àry ny fanontaniana, dia ilay hoe inona fotsiny àry izany no maha olom-pirenena antsika malagasy itony ankoatra ny fanatanterahana ny baiko midina sy ny fandoavana vola ho an’ny fanjakana ê?...

Malagasy mijoro fotsiny!

Lalou