Mivoatra ny toe-draharaha eo anivon’ny dinika sosialy iresahana ny karaman’ny mpiasa tsy miankina ankehitriny.

Tsy fantatra izay hiafaran’ny adihevitra anefa aloha fa taorian’ny resaka dia nirava maina tamin’ny herinandro lasa iny dia nitohy tamin’ity herinandro ity ny fihaonana teo amin’ny solontenan’ny mpiasa sy ny avy amin’ny mpampiasa.

Ny mpampiasa moa dia tamin’ny alalan’ireo vondron’ny mpandraharaha toa ny “Gem” sy ny “Fivpama” mbamin’ny “Sim”. Re àry fa karazan’ny efa nitovy ny fomba fijery teo amin’ireo mpiara-miombona antoka ara-tsosialy ka hoe eo amin’ny 8% eo ny ho fanondrotana ny karama.

Akory anefa ny hagagana raha nandre indray fa ny Fivmpama indray no tsy nanaiky ary ny tena mahalasa fisainana dia 500 ariary no elanelan’ny hevitra niombonan’ny rehetra amin’izay itiavan’ny Fivmpama azy ho an’ny famaritana ny karama farany ambany.

Ny Fivmpama izay tsy hafa ny filohany amin’izao fotoana dia i Eric Rajaonary, izay voizina mafy ery ankehitriny fa “mendrika ny hotendrena praiminisitra”, hono.

Amin’izao fahasahiranana mafy manjo ny maro izao ve dia mbola hisy karazan’olona tsy hahafantatra ny farafahakeliny tokony hifanampiana amin’ny mpiara-belona nefa tsy eken’ny sitraponao dia ho rariny? Ianao izay mieritreritra sy miandrandra ny toeran’ny praiminisitra koa? Soa ihany fa mbola tsy lasa amin’izany toerana iandraiketana raharaham-panjakana ambony izany i Eric Rajaonary dia efa mibaribary ny toe-tsainy.