Ny fahorian’ny sasany no lasa fifaliana ho an’ny sasany hoy ny ohabolana. Ihazakazahan’ny fitondraha HVM (Hery vaovao ho an’i Madagasikara) amin’izao fotoana izao ny fisian’ny Kere any atsimo. Noana ny olona any atsimo ary efa maro ny maty amin’izao fotoana izao izay vao tonga izy ireo. Nataon’ny fanjakana HVM fitaovana politika izy ity ankehitriny taorian’ny fandalovan’ingahy Andry Nirina Rajoelina tany Androy andro vitsivitsy lasa izay. Nihazakazaka nanao ranolava hatramin’ingahy Hery Rajaonarimampianina noho izany. Noampangaina tsy marina ny sary nentin’ingahy Rajoelina nampisehoana tamin’ny haino aman-jery isan-karazany teto an-drenivohitra. Androany zoma faha-19 fabroary 2016 dia hisy hetsika lehibe hatao ao Ambovombe Androy. Hisy ny atrikasa hatao amin’izany izay itambaran’ny minisitera maromaro. Hisy koa ny fizarana sakafo izay hatomboka ao amin’ity distrika ity. Raha ny loharanom-baovao dia fantatra izao fa ny saram-pandehan’ireo olona ao amin’ny minisitera sy ireo mpanao politika ao amin’ny Hvm ireo dia efa mahatratra an-jatony tapitrisa ariary indray. Nahoana raha natao teto Antananarivo ny atrik’asa,ka ny vola nataon’ireo saran-dalana dia nanampiana ny fanomezana ho an’ireo tra-boina ireo. Dia lasa fitaovana politika indray ity kere ity hangalana ny fon’ny olona any atsimo ka hanomanana ny fifidianana amin’ny taona 2018.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao