Nosamborin’ny polisy tao amin’ny trano fanorana (salle de massage) sy fandalovan’ny mpifankatia ivelan’ny tokantrano ingahy Pasitera Lala Rasendrahasina filohan’ny FJKM (Fiangonan’i Jesosy Kristy eto Madagasikara). Mbola miteraka resabe eto Antananarivo sy eto Madagasikara ary ny mpanaraka ny tranonkala sy ny « facebook » ny vaovao navoakan’ny gazety maromaro tamin’ny fisamboran’ny polisy avy amin’ny BC na ny « brigade criminelle » na ny polisy misahana ny ady heloka etsy Anosy, izay nitranga ny talata faha-16 febroary 2016 lasa teo. Miparitaka eran’izao tontolo izao iny raharaha iny ary maro tsy tambo isaina intsony ny fanakianana amin’izany. Tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro no niseho ity tranga ity ny talata teo. Ny Hotely “Gamma” etsy Antanimena (làlana Campan) no nitrangan’ny zavatra rehetra. Tamin’io fotoana io dia nisy polisy telolahy koa tonga teo amin’ity hotely ity. Ny iray tamin’izy ireo manao fanamiana miaramila ary ny roa hafa dia miakanjo sivily. Ny iray izay nanao fanamiana sivily no nisava ny trano tao anatiny, fa ny roa sisa indray dia niambina taty ivelany, ka ny iray dia teo ambaravaran’ilay hotely no nipetraka. Fomba fanaon’ny polisy amin’ny zavatra toa itony izany. Gagagaga ny olona nahita izany. Voalaza fa misy zazavavy tsy ampy taona nentin’olona ao sy ampiasaina ao amin’ity hotely ity ka tonga hanao fisafoana , satria nahazo loharanom-baovao mahakasika izany izy ireo izy, ary hanamarina sy hisambotra izany no tena dian’ireto polisy ireto raha toa misy tokoa izany. Tamin’io fotoana io dia efa tao amin’ilay hotely ingahy Lala Rasendrahasina izay filohan’ny fiangonana FJKM eto Madagasikara. Ny olona teo ala-trano aza dia nieritreritra fa hiambina ity filoham-piangonana ity no dian’ireto polisy tonga tampoka ireto. Akory nefa ny fahagagana raha nahita an’ ingahy Lala Rasendrahasina pasitera indray no nentin’ireto polisy ireto hanaovana fanadihadiana any amin’ny biraon’ny polisy afaka antsasakadiny taorian’ny fisavana ny tao anaty trano. Ingahy Lala Rasendrahasina izay nitondra fiara mangilatra sady misy ireny fitaratra mainty tsy ahitana ny ao anatiny ireny, izay napetraka somary lavidavitra ilay fidirana ao amin’ilay hotely. Ny fanadihadiana izay nataon’ny mpanao gazety no nahafantarana fa tsy nahitana taratasy mikasika ny momba azy ity pasitera ity nefa miditra tao amin’ny toerana toa izao. Tsy voasoratra koa ao amin’ny taratasy filazana ny olona mampiasa ny hotely izy, izay fepetra ilain’ny lalàna amin’ireny toerana ireny. Teo anatrehan’izany dia tsy maintsy nentina hanaovana fanadihadiana ingahy filohan’ny FJKM ity. Raha toa izay ny fahitana ny zavatra taty ivelan’ny trano dia voatery nanao fanadihadiana indray ny mpanao gazety ka ny loharanom-baovao no nahafantara- na fa niotra na nanao “massage” tao amin’ity toerana ity hono izy ary tovovavy no nanaovany izany. Misy toerana efatra fanaovana “massage” io tokoa ao amin’ity hotely ity, nefa raha ny voalazan’ireo mpisafo dia tsy tao amin’io toerana io no nahitana azy fa tamin’ny efitrano hafa. Raha nanontaniana ny fidirany amin’ity efitrano ity ingahy Lala Rasendrahasina dia milaza fa manana aretina tsaboina amin’ny alalan’ny otra na “massage” izy ka izany no antony nahatonga azy tao amin’ilay trano. Voalaza koa fa tsy vao izao ihany no nandehanan’ingahy Lala Rasendrahasina amin’ity hotely ity fa efa maromaro ihany, ary efa fotoana elaela ihany koa. Marihina fa nentina tany amin’ny biraon’ny polisy tao Tsaralalàna ingahy Lala Rasendrahasina sy ilay vehivavy izay voalaza fa nanotra azy ka navoakan’ny polisy rehefa avy nanaovana fanadihadiana. Manontany tena ny rehetra ny amin’ny dian’ity pasitera lehiben’ny fiangonana FJKM eto Madagasikara ity amin’ny toerana toa itony. Inona marina no tena dia tao amin’ilay trano fandalovan’ny mpifankatia ivelan’ny tokantrano (maison de passe) sy ny trano fanorana (massage) toa izao? Raha ny filazany hatreto dia momba ny fahasalamany hono. Nahoana no tsy tany amin’ny hopitaly izy no nanao izany ? Nahoana no amin’ny toerana izay tsy mendrika akory ny olona mpitondra fivavahana toa izao no nidirany? Azo atao dia azo atao ny fanadihadiana lalina momba izany ary tsy maintsy fantatra ny tena marina amin’izany. Miaro mafy ity filoham-piangonana nanao hadisoana be vava ity ny gazetin’ingahy Marc Ravalomanana izay filoha lefitry ny FJKM. Tsy dia atao mahagaga izany satria iray tsikombakomba sy iray tetika hatramin’izay izy roalahy ireo. Ny fanontanina mipetraka ankehitriny dia ny fihetsika izay hataon’ny mpino FJKM sy ny birao foibe mpitantana ity fiangonana ity. Raha ny tokony ho izy dia tokony haato amin’ny asany avy hatrany aloha ingahy Lala Rasendra- hasina satria zava-doza loatra eo anatrehan’ny fivavahana FJKM ny fisamboran’ny polisy azy tao amin’ity hotely fanorana sy fitondrana vehivavy ivelan’ny tokantrano ity. Ny zavatra toa izao koa matetika no mahatonga ny mpino hivadika finoana satria ny lohany izay tokony hatao maodely sy hitarika amin’ny zavatra tsara indray no manao hadalana sy fahadisoana. Izany no antony nampiroborobo ny fiangonana zandriny eto Madagasikara tao anatin’ny 30 taona teo ho eo izao. Raha ny tokony ho izy dia tsy tokony hanao ny asa maha mpitandriana azy intsony ity olona ity fa ho saziana mafy mba ho anatra ho an’ny rehetra, ka tsy hisian’ny zavatra toa izao intsony hiverina ao amin’ny FJKM. DR