Nametrahan’ny maro fanantenana ny nandrenesana teo alohaloha kely teo ny hoe hisondrotra hatrany amin’ny 65% ny vola fisotroan-dronono fandrain’ireo mpiasa taloha tany amin’ny tsy miankina.
Hatramin’izao anefa dia “tsy re be, tsy re kely”, araka ny fitenenana, ny fanatanterahana izany fa asa izay ho amin’ny fandraisam-bolan-dry zareo amin’ny manaraka?... Isan-telo volana tokoa mantsy izy ireo no mandray izany vola fisotroan-dronono izany.
Mila an’io fisondrotana io ireo be antitra, tsy ny mpiasa taloha tany amin’ny tsy miankina ihany fa na ireo tao amin’ny fanjakana koa aza. Tsy ilaina intsony ny mitady ny porofo ny amin’ny hoe sahirana ireo beantitra ireo satria dia mazava ny hitan’ny maso isaka ny fotoana fandraisan’izy ireo ny “volakeliny” fa vao mangiran-dratsy, mbola tsy “maneno akoho” akory dia ireo ry zareo efa miandry laharana eny amin’ny “Trésor”, ho an’ny mpiasampanjakana taloha, sy eny amin’ireo birao ahafahany mandray izany, ho an’ny mpiasan’ny tsy miankina. Mahita izany ny mpanao gazety rehefa mirava miasa saingy minia tsy maka sary satria ontsa loatra ny fo mahita azy ireo. Ny fahorian’ny sasany ve no haderadera an-tsary?...
Tsy sitra-po na koa noho ny fahamehana handray ireo ravim-bola no antony fa noho ny “hanoanana”, hoy ny lazain’izy ireo. “Noana” satria tsy mahatody ny fandraisana manaraka ny vola noraisina teo aloha. Miha mitombo isaka ny handray vola ny fahasahiranana mianjady amin’izy ireo, satria iaraha-mahalala ny fisondrotry ny vidim-piainana, izay andro aman’alina ara-bakiteny mihitsy. Mihoatra noho ny iainan’ny “olon-tsotra” rehetra aza ny manjo azy ireo satria eo ny “tsy maintsy” eo amin’ny fiainany, dia ny fividianana ny fanafody hitazonana ny aina izay iaraha-mahalala ihany koa ny fiakaran’ny vidiny. Ny any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy no lazaina ho kere amin’izao fotoana izao fa raha ny tena marina dia anisan’ny ianjadian’izany koa ireo beantitra ireo.
Fanirian’ny rehetra, ary vavaka atao mihitsy aza, ny mba ho ela velona ka ho tratra antitra, kanefa raha ny mahazo ny ankamaroan’ny Malagasy amin’io resaka fisotroan-dronono io dia mahalasa ny eritreritra ihany. Maha kivy ihany ny mieritreritra ny hoe niasa foana, niasa mafy, ny tena nandritra ny fotoana naha natanjaka fa rehefa “osa” kosa dia ny toa ireny no mahazo. Matoa ny mpiasa iray tonga amin’izany fisotroan-dronono izany fa tsy, sanatria, voaroaka, na voatery nijanona teny an-tenantenan’ny fotoana niasany teny noho ny antony tsy azo nanoarana dia satria, na tsy nahafa-po ny mpampiasa aza, nanao ny tokony ho nataony sy ny notakiana taminy izy. Araka izany no iheverana ny hoe zo io fisotroan-dronono io fa tsy, sanatria ihany koa, “fanampiana” toa ny vatsim-pianarana omena ny mpianatra, ohatra, ka tokony mba hasian’izay manana ny fahefana ho amin’izany fandinihana ny momba azy. Ankoatra ny maha zo azy mantsy dia tokony hoheverina koa ny tokony haha valim-babena an’io fisotroan-dronono io, araka ny maha zokiolona nahavita be an’ireo mpandray azy io.
Misy ny milaza ny hoe tsy ho zakan’ny toe-bolan’ny fanjakana na ny sampana mpikarakara izany ho an’ny tsy miankina ny hanondrotana ny fisotroan-dronono. Asa anefa izay fahamarinan’izany raha dinihina ireo karama sy tombontsoabe zaraina amin’ireo “akama” nomena toerana etsy sy eroa ireo?...
Nahavita be ireo ary nahitana soa matoa tahaka izao, isika rehetra koa mba mila valim-babena kosa ê!
Lalou