Tafajoro indray io ny andrimpanjakana “vaovao” ao anatin’ity Repoblika fahefatra ity, dia ny Antenimierandoholona izany. Toy ny fahita hatramin’izay dia ny “fifidianana” izay ho filoha mpitarika azy no nifotoran’ny fivoriana voalohany natao, ary dia iny niaraha-nahita iny fa natsipin’ny antokon’ny fitondrana, ny HVM, tany amin’ny “Ratsirakiste” ny andraikitra amin’ny fitantanana azy io. Asa nahoana?... Mbola tsy mazava ny amin’izany hatramin’izao.

Hatramin’izao koa dia mbola tsy nisy ny fivoriana “ôfisialy” voalohany, na ara-potoana izany na tsia, tao amin’io andrimpanjakana io, kanefa raha ny re dia efa voadiniky ny mpikambana ao aminy sahady ny amin’ireo “tombontsoa” horaisin-dry zareo amin’ny maha loholon’i Madagasikara azy ireo. Raha ny re àry, no sady efa navoakan’ny mpampahalala rahateo koa, dia mitaky fiarakodia roa sy karama 10 tapitrisa ariary isany, hono, ireo loholona ireo… Mazava ho azy fa dia fanafintohinana no nateraky ny nandrenesana izany teo amin’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena. Raha ny fandraisana izany mantsy dia tena fitiavan-tena diso tafahoatra no sady tsy firaharahiana ny fahasahiranam-bahoaka mihitsy.

Ny fanontaniana voalohany dia ny hoe nahoana moa ny senatera no homena fiara roa isanisany ê? Mipetraka ny fanontaniana satria raha ny fahafantarana izany fiara homena ny parlemantera izany dia hoe hoentin’izy ireo hanatanteraka ny asany. Koa nahoana àry no fiara roa?... Sa ve afaka mizara roa ny senatera iray ka ny antsasany mandeha amin’ny fiara iray ary ny antsasany hafa koa handeha amin’ny fiara hafa?... Senatera ihany koa no nofidina fa tsy fianakaviana senatera, izany hoe izy loholon’i Madagasikara no tokony hoantohin’ny fanjakana amin’ny asa hataony fa tsy ny vady aman-janany n any olon-kafa akaiky azy akory.

Ny fanontaniana faharoa dia ny hoe mba azon’ireo parlemantera vao nahazo toerana ireo ve ny hoe loholon’i Madagasikara izy ireo?... Loholon’i Madagasikara fa tsy an’i Etazonia, ohatra, na an’ny firenena mpanakarem-be hafa. Iarahan’ny rehetra mahalala ny fahasahiranana mahazo an’ity firenena ity, ary ny lehibe indrindra amin’ireny, ohatra, dia ny kere mianjady amin’ireo any amin’ny faritra atsimo, izay efa tonga hatrany amin’ny fahafatesana mihitsy amin’izao fotoana izao. Ny mpiray tanindrazana amin’ny tena izany matin’ny hanoanana sy ny hain-tany fa ny olom-boafidy higalabona amin’ny 10 tapitrisa ariary isam-bolana, ankoatra ireo tombony sy tambiny hafa, toy ny solika sy ny teti-bola hikojakojana ireo fiara roa, ny fahan’ny finday, sy ny sisa ê… Ankoatra ireo dia mbola hiantohana “mpiasa mpanampy”, na “assistants parlementaires” maro maro koa izy ireo. Mbola vola hivoaka amin’ny fanjakana koa, izany hoe halaina avy aty am-paosin’ny vahoaka, no handoavana ny karaman’izany. Tsy vita ve ny asa tokony hatao raha tsy misy an’izany « mpiasa mpanampy » maro izany ?... Nahoana no nirotsaka tao raha toa ka tsy hahavita izany asa izany ê?...

Hadinon’ny olom-boafidy malagasy mihitsy ny hoe hanompo vahoaka no « nametrahana » azy ireo eo amin’ny toerany fa tsy hotompoina akory…

Izay aloha ny hatramin’izao fa atsy ho atsy dia mbola hisy koa ny olona hofidina hafa, dia ireo ho lehiben’ny Faritra sy ny hiara-hihinana aminy. Asa na ho fiara firy sy karama hoatrinona koa no hoantohina ho an’izy ireo, ankoatra ny tombony sy ny tambiny hafa ê?...

Tsy hohalavaina ny resaka fa dia hofintinina fotsiny amin’ny hoe mba menatra ê !

Lalou