Teo anatrehan’ny savorovoro izay nitranga tamin’ny mpiasa sasantsasany ao amin’ny antenimierandoholona mahakasika ny fihetsika izay nataon’ny mpikambana ao amin’ny birao maharitra ao amin’ity andrimpanjakana ity tamin’ny talata faha 16 febroary 2016, momba ny fipetraky ny olona sy ny toeram-piasana ary ny andraikitra tazonin’izy ireny. Nandeha dia nandeha tokoa ny resaka avy amin’ny mpiasa noho ny fahatahorana ny fihetsika nataon’ny mpikambana ao amin’ny birao maharitra tamin’izany. Isan’ny olana amin’izany ny momba ny mety ho fandroahana mpiasa araka ny fandraisan’ny mpiasa ny resaka. Raha nanaovana fanadihadiana ny hevitry ny mpiasa sasantsasany dia nisy ny tsy fifankahazoana ihany tamin’ny resaka tian’ny mpitondra teny nentina. Ny mpiasa ao amin’ity andrimpanjakana ity koa efa volana maro no tsy nisy asa ka samy nanao izay tiany ho natao avokoa. Mpiasa maromaro ihany koa nefa no nakana ny heviny, ka tamin’izany no nahafantarana fa ilaina tokoa ny fanatsarana ao amin’ity toeram-piasana ao Anosy ity. Mifanisika ao anatin’ny birao iray ny mpiasa hatrany amin’ny 5 na 6 nefa ny efi-trano ety dia ety, ka na ny toerana handehanana aza tsy misy intsony. Misy efitrano mirefy 9 m3, ohatra, no ametrahana olona 20 mahery. Misy anefa ny toerana hafa izay mbola an’ity andrimpanjakana ity izay tokony hiasan’izy ireo. Isan’izany ny ao Ampefiloha sy ny ao Analamahitsy. Ny fanadihadiana natao tamin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ity birao maharitra ity koa no nahalalana fa misy ezaka izay tsy maintsy hatao mba hanatsarana ny fiainan’ny mpiasa noho izany, ka ny hampandeha tsara ny fanatanterahana ny andraikitra ao amin’ny antenimierandoholona no tanjona. Voalazan’ny tompon’andraikitra iray izay nanaovana fanadihadiana fa tsy hisy ozany fandroahana mpiasa izany, fa tsy maintsy hirosoana kosa ny fanatsarana ny fomba fiasa ato amin’ny andrimpanjakana ity mba ho lasa môdely ity toerana ity. Nambarany koa fa tsy maintsy hatao mangarahara ny fitantanana rehetra ary ao anatin’ny fanjakana tsara tantana izany. Ny fiovana amin’ny fomba mahazatra teo aloha sy ny fisian’ny gaboraraka ireny dia miteraka olana eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa, kanefa raha te hiala amin’ny zavatra tsy nety teo aloha dia tsy maintsy sahy manova. Zava-dehibe amin’izany ny serasera araka ny tokony ho izy sy ny fanana saina mahitsy ka miandrandra fanatsarana avokoa ny rehetra.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao
ADN-Venstre : hifanohana sy hiaraka hiasa
Omaly zoma faha 19 febroary 2016 no vita ny fifanarahana teo amin’ny AND (Antoka sy dinan’ny Nosy) izay antoko politika taritin’ingahy Edgard Razafindravaha, ary ny antoko avy any Danemark antsoina hoe Venstre. Andriamatoa Michael Aastrup izay misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena no nisolo tena ity antoko ity. Tetsy amin’ny foiben’ny AND tetsy Ankorondrano no nanaovan’izy roa ireo fanambarana teo anatrehan’ny mpikambana ao amin’ny AND sy ny mpanao politika maromaro izay nasainy, ary ny mpanao gazety. Volazan’ity antoko Venstre ity fa ny fahitany ny fomba fijerin’ny roa tonta ho mitovy no antony nanohanany ny AND eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ity antoko ity koa izy no hanampy ny Malagasy hoy ihany ingahy Michael. Ingahy Razafindravaha Edgard dia nanambara fa tsy mangalatra andramena na manodikodina volam-bahoaka ary miankina amin’ny rafitra any ifotony ny fampandrosoana takiana eto Madagasikara. Môdely tsara halain-tahaka ny fanjakana any Danemark amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanjakana tsara tantana. Izy no isan’ny fanjakana voalohany amin’izany amin’ireo sehatra ireo. Fantatr’ity antoko Venstre ity fa manana ho avy tsara i Madagasikara ary tokony ho lasa lavitra, ka izany no anampiany azy izao. Nomarihan’ity antoko ity fa hanampy ny AND amin’ny fifidianana amin’ny 2018 ny antoko Venstre avy any Danemark ity amin’ny fifidianana izay ho filohampirenena eto Madagasikara indray. Nanainga ny antoko AND izy mba hikambana ao amin’ny fikambanan’ny antoko liberaly maneran-tany.
Nangonin’i
Jesy Rabelaolao