Nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly ny antoko « Dhd Madagasikara » tarihin-dRasamoelina Hary Naivo. Notsindrian-dry zareo tamin’izany fa « Manamarina hatrany ny famakafakana sy fandalinana politika nataon’ ny antoko Dhd Madagasikara ny zavamisy hatramin’izay sy ankehitriny eto amin’ny tany sy ny firenena ». Tsy nihambahamba mihitsy ity antoko ity nilaza fa « marefo dia marefo ny fiandrianan’ny fiarahamonina sy ny fiandrianam-pirenenan’i Madagasikara.
Eo amin’ny endrika ankapoben’ny fitantanana ny firenena dia “fifanoherana anatiny no iainan’ny andrimpanjakana tsirairay », hoy ny « dhd », ka izany dia miseho mivantana na miafina amin’ny samy andrimpanjakana sy samy tompom-pahefana. » Mibaribary, hoy Rasamoelina Harinaivo fa “samy mandeha samy mitady” no rivotra mibaiko ny fitantanana ny fahefam-panjakana ankehitriny ka sarotra ho azy ireo ny hamaha izany krizy izany.
Notsindrian-dry zareo koa fa « tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny raharaham-panjakana, satria lalim-paka ny tsy fahaizana mifehy fahefam-panjakana. Nambaran’ny « Dhd » moa fa mifanjevo ny sehatry ny toekarena sy ny mpandraharaha, miaina ny kenda roroka ny sosialy sy ny fiarahamonina, manjaka ny “tsy filaminan’ny maha-olona” (insécurité humaine), tsy mahavaha olana ny safidy sy ny praograma politika narafitra hitondrana ny firenena, mitsingilahila isan’andro ny fifehezana ny fahefam-panjakana, ary mibaribary ny tsy fahafahan’ny tompom-pahefana mamaha ny “sosialim-bahoaka”. Ireo no isan’ny vokatry ny tsy fahaiza-mifehy ny fahefam-panjakana, hoy ity antoko ity.
Tsy nohadinoin-dry zareo koa anefa ny nampivoitra fa “miseho masoandro ny tetika miafina sy voasivana ataon’ireo fanjakan’ny firenen-dehibe “neokolonialista” mihevitra azy ho “tompon’izao tontolo izao”, satria dia feheziny mivantana na an-kolaka ny harena sy ny politika eto Madagasikara. Nohamorain’ireo tompom-pahefana ny hifehezan’ny vahiny ny fananan-tany, hany ka very fanahy mbola velona ny olom-pirenena ka tsy matoky intsony ny tompom-pahefana izy.
Isan’ny notsipihin-dry Hary Naivo Rasamoelina koa ny fahatsapan-dry zareo fa “tsy maty paika ny praograma politika naroson’ny mpitondra ankehitriny, izay ibaribarian’ny fijery “tia kely” sy “demokraty liberaly”. Tsy niara-nifanabe sy tsy niara-nifampifehy ireo olom-panjakana ireo, ary tsy hita taratra ny hoe efa niomana hitondra fahefam-panjakana izy mitambatra. Tompon’ andraikitra eo amin’ny fahavoazana iainana ankehitriny ny fahefam-panjakana, hoy ny dhd Madagasikara.