Nandrasana tamin’ity herinandro mifarana ity ny hoe hanovana ny governemanta.
Dodona dia dodona ny amin’izany ny mpilalao pôlitika ka efa naparitaka hatramin’ny tsaho hoe hametra-pialana hono ny governemanta Ravelonarivo. Dodona ry zareo satria toerana ho azo avy amin’ny alalan’ny fanendrena indray io. Ny fanendrena mantsy sisa no hany mba fanantenan-dry zareo ireo ny amin’ny hahazoana toerana ao amina fitondrana satria izay mba nilatsaka ho nofidina tamin’izy ireo dia tsy noraharahian’ny vahoaka, moa ny sasany dia tsy sahy nisedra an’izany fifidianana izany mihitsy fa efa nahatsapa ny lanjany… Mikofokofoka daholo indray ry efa mpisolelak hatramin’izay ê…