Omaly alakamisy faha-25 febroary 2016 no natao ny atrikasa ao anatin’ny tetikasa NFD( ny fanjakana ho an’ny daholobe) izay nokarakarain’ny minisiteran’ ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy. Niarahany manatontosa amin’ny vondrona eoraopeanina sy ny PREA. Mahakasika ny fanadiovana ny asam-panjakana no natao tamin’izany ka nanazavan’ny avy ao amin’ny minisitera miahy ny asam-panjakana ity ny momba ny fampitoviana ny mpiasampanjakana araka ny fari-pahaizana ananany, izay voasoratra ao anatin’ny diplaomany ary ny faharetan’ny fianarany amin’izany. Misy koa ny fanaraha-maso ny diplaoma sandoka izay misy mampiasa amin’izao fotoana izao noho ny fahabetsahan’ny sekoly ambony izay tsy manara-penitra. Ao anatin’izany no hijerena ny andraikitry ny tsirairay amin’ny toerana izay iasany. Noho izany dia hapetraka ny rafitra hiarahan’ny minisitera rehetra izay miadidy ny mpiasa, hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity. Voalaza fa ny taona 2017 dia ho amperinasa tanteraka ity tetikasa ity. Marihina hoy ny minisitra miadidy ny asam-panjakana fa amin’ny alalan’ity tetikasa ity no hijerena ny mahakasika ny fanofana mpiasampanjakana manokana sy ireo izay mitaky sata manokana ireny. Toa izany koa no fametrahana mari-karama mitovy(Grille indiciaire) ho an’ny mpiasampanjakana rehetra, arakaraka ny isan’ny taona nanaovany ny fianarany. Ny taona 2021 no heverina fa ho vita tanteraka ny fanadiovana ity asam-panjakana ity. Misy ny sampandraharaha ao amin’ity minisiteran’ny Asa ity izay miandraikitra ity fanadiovana ny asam-panjakana ity.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao