Dieny ety am-boalohany no ilazana ny hoe aoka tsy ho taitaitra isika mpamaky fa tsy ny eto an-toerana loatra akory no tiana hambara amin’io lohateny hoe “fikambanan-jiolahy” io. Ny vaovao iraisam-pirenena tokoa mantsy no nahalalana fa ingahy Blaise Compaoré, filoha teo aloha ka voaongana tany Burkina Faso dia nahazo ny zom-pirenena Ivoarianina ka tsy azon’ny firenena izay nisy azy sy notantaniny tany aloha enjehina intsony, hono. Mahalasa ny eritreritra ihany ny raharaha, satria iaraha-mahalala fa io Blaise Compaore io dia namono sy nanongana ny filohampirenena borkinabe teo alohany, Thomas Sankara. Hitam-poko, hitam-pirenena nanerana an’izao tontolo izao fa efa filohampirenena tao Burkina Faso izy io, kanefa amin’izao fotoana izao dia “nivadika” ho Ivoarianina tampoka… dia ho voafafan’izay ve ny heloka vitany ê?... Satria ve nahazo ny zom-pirenena Ivoarianina rangahy io dia hoheverina ho tsy nisy avokoa ny zava-bitany nandritra ny am-polon-taonany maro naha filoha faran-tampony tao Burkina Faso azy?...

Lasa tokoa ny eritreritry ny mpanaraka ny raharaham-pirenena satria mahafantatra fa ny firenena Ivoarianina dia tantanin’ingahy Alassan Ouattara, izay tsy dia nazava loatra koa ny nahatonga azy ho filohan’i Côte d’Ivoire. Hatramin’izao dia mbola “raharaha” any amin’ny TPI, na ny Tribonaly iraisam-pirenena misahana ny ady heloka, ny momba an’i Côte d’Ivoire, izay mampigadra an’ingahy Laurent Gbagbo, filoha naongan’ingahy Ouattara niaraka tamin’ny fanohanan’i Lafrantsa…

Lasa ny eritreritra ka tonga hatrany amin’ny hoe misy “fifanarahana” amin’ny fifampiarovana ve eo amin’ireo mpitondra afrikanina “sasantsasany” ê?... Mipetraka ny fanontaniana raha mahafantatra, ohatra, fa ny filohan’i Soudan, Omar El Béchir dia efa namoahan’ny fitsarana iraisam-pirenena didy fampisamborana noho ny heloka vitany, kanefa dia afaka mivezivezy “soa aman-tsara” manerana an’i Afrika, mamonjy ny fivoriana rehetra misy, sy ny sisa…

Lasa ny eritreritra rehefa nandre fa mikasa ny hiala ao amin’io TPI, na ny Fitsarana iraisam-pirenena misahana ny ady heloka io ny Firaisambe afrikanina, izany hoe ny fitambaramben’ireo filohampirenena ao Afrika. Ny “dikan’izany” ve tsy hoe tsy azo kasikasihina, na enjehina izahay filohampirenena afrikanina amin’izao fotoana izao ireto ê?...

Laasa ihany koa ny eritreritra raha mahatadidy fa ingahy Robert Mugabe, filohan’i Zimbabwe dia vao tsy ela akory no “voafidy” sy nitantana ny Firaisambe afrikanina. Iza anefa no tsy mahalala fa io Mugabe io no filoha faran’izay mampijaly ny vahoaka ao aminy indrindra?... Vola iray harona, hoy ny vaovao, vao mahavidy mofo dipaina iray any amin-dry zareo any. Ny olona toa izany anefa no nofidiana ho lehiben’ny afrikanina… Diso àry ve ny ilazana fa toa fikambanan-jiolahy no misy eo amin’ireo mpitondra firenena afrikanina amin’izao fotoana izao ê?...

Mihoatra noho izany rehetra izany anefa dia tsaroana koa fa vao tsy ela loatra izany no nandeha “nitsidika” tsy an-kiteniteny tany Zimbabwe tany ny filohantsika malagasy. Tsy an-kiteniteny, satria tsy ôfisialy ilay fitsidihana no tsy nampahalalaina ny vahoaka. Inona àry no natao sy nifanarahana tany ê?...

Nolazaina tery am-boalohany ny hoe tsy mahakasika antsika malagasy ilay “raharaha”, kanefa… toa mampieritreritra ihany ê.

Fikambanan-jiolahy…

Lalou