Namaly ny lahatsoratra an-gazety izay navoakany omaly ny depiote Nicolas Randrianasolo izay voafidy tany amin’ny faripifidian’i Betroka. Mpanohana mafana fo ny fitondrana HVM

sy ingahy Hery Rajaonarimampianina tsy misy fepetra ity depiote ity, nefa nisy resaka nifanaovan’izy samy depiote tao Tsimbazaza tamin’ny fomba anaovan’ny fitondrana azy ankehitriny, fa indrindra ny distrikan i Betroka izay nifidy azy. Nangotraka dia nangotraka tokoa ny ady hevitra tao amin’ny “cafetaria”-n’ ny antenimieram-pirenena tamin’ny alakamisy faha 25 febroary 2016 io satria azo lazaina fa nifanasa vangy ny mpomba sy ny mpanohitra ny fanjakana amin’izao fotoana izao. Nanatrika teo izahay ary nahita ny ady hevitra rehetra na dia tsy nasaina aza satria teo imason’ny rehetra ny raharaha. Namaly izany anefa ity depiote ity omaly zoma faha 26 febroary 2016 ka nilaza toa izao indray. Niady hevitra marina tamin’ireo depiote ireo aho saingy tsy nahatsapa fa misy mpanao gazety nanatrika ny ady hevira nataonay teo. Mafy tokoa ny filazan’ireo depiote namako tamin’ny fanarabiana ahy fa voa mafy aho satria tsy raharahan’ny fanjakana hono. Ny tanindrazako sy ny distrika nifidy ahy any Betroka no voatonontonona ka sarotiny tamin’izany aho. Misy fahamarinany tokoa ny filazan’ny depiote namako ireo, ary izahay rehefa miady hevitra dia toa izany. Rehefa vita ity fitondrana ity ka tsy manao na inona na inona any aminay, hoy ingahy depiote Nicolas, dia handray ny fanampahan-kevitro aho na mbola hiaraka aminy na tsia. Hatramin’izao aloha dia mbola manohana azy tsy misy fepetra aho satria nametraka azy teo amin’ny toerana. Raha toa ka hiova ny hevitro fa hisy ny fisarahana, raha sanatria ka tonga amin’izany, dia havoriko toy ny fanaoko ny mpanao gazety rehetra hilazako izany. Mino aho fa tsy maintsy hisy ny fifampiresahanay sy ny filoham-pirenena mahakasika an’io ary hilazako ny hevitro marina izy ary hotantaraiko aminy amin’ny antsipiriany ny nanaovan’ny depiote ahy tamin’io fotoana io. Mbola averiko foana fa ny ahy dia ny fijerena an’i Betroka no tena zava-dehibe amiko.

TTF: Hamarinina etoana fa nisy ny ady hevitra nifanaovan’ity depiote avy any Betroka ity sy ny depiote namany tamin’io alakamisy faha 25 febroary 2016 io tao Tsimbazaza. Tsy ankitsitsy ny resaka tao ary fanarabiana sy fanesoana ity depiote izay mpanohana fitondrana ary ny tsy firaharahian’ny fanjakana sy Hery Rajaonarimampianina azy no nibahana tamin’izany. Voalaza tamin’ny lahatsoratra navoaka fa tezitra sy sosotra izay tsy izy ingahy Nicolas vokatr’izany ka tsy tsaroany angamba fa nanontany azy izahay mahakasika ny teny nataony. Sady nirimotra nivoaka ny trano izy no namaly hoe avoahy gazety fa tsy olana izany. Na niteny na tsy niteny ingahy Nicolas dia tsy manankana anay tsy hamoaka ny zavatra hitanay sy renay ary natrehanay tamin’io fotoana io koa izany. Marihina fa efa nisy koa fotoana nitenenany tany aloha fa tsy misy vola na tombontsoa nomena azy manokana hono amin’ny fanohanany ny fitondrana io, fa izy dia isan’ny olona nametraka azy ka miaro azy. Manomboka miady an-trano miandalana ny fanjakana io ka ho rava raha mitohy ny toa izao.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao