Nizahozaho sy nirehaka aoka izany ery omaly ny minisitry ny asa vaventy, Roland Ratsiraka , sy ny avy amuin’ny orin’asa Colas raha nampiseho tamin’ny besinimao teny Anosy ny akora vaovao antsoina hoe “Compomac”. Io akora io dia hoe azo asolo ny tara (goudron) amin’ny fikojakojana lalana sy fanamboarana lalana mihitsy aza.
Nampodimandry sy nampilendalenda aoka izany ny fanazavana ara-teknika nentin’ny teknisiana avy amin’ny Colas sy ny minisitry ny asa vaventy momba ity akora ity. Voalaza fa “mora ampiasaina ary azon’ny rehetra atao ny mandray an-tanana ny fampiasana azy io na any anivon’ny kaomina aza, araka ny fahafaha-manaony.” Mateza sy mahazaka orana ary azo tehirizina hatramin’ny roa taona koa io akora io, hoy ihany ny fanazavana omaly.
Zava-dehibe loatra ny fisian’ny akora toa izao satria matetika dia tsy voavonjin’ny tompon’andraikitra ara-potoana ny fanotofana vatokely sy tara an’ireny lavaka amin’ny arbe ireny, ka ity akora ity dia mety hahafahana miatrika izany haingana raha misy ny finiavana.
Fa ny tena mahalasa fisainana dia ny fihazakazahan’ny orin’asa Colas mampiseho sy zary nanao dokam-barotra an’io akora io. Zovy anefa no nanamboatra ny ankamaroan’ny lalana eto amintsika? Moa tsy ny Colas? Ka nahoana no mora simba ny lalana eto? Noho ny akora nampiasaina nanaovana azy ve?
Tsia no valiny. Matetika dia noho ny tsikombakomba maloto eo amin’ny orin’asa mpanamboatra ilay fotodrafitrasa sy ny tompon’andraikitra sasany ara-panjakana. Ohatra: raha takian’ny fenitry ny fanamboarana lalana ny hoe vatokely sy tara 50 Santimetatra no hatevenan’ny arakotra amin’ny lalana iray dia 10 taona, ohatra, tsy kitihina io lalana io, dia zara raha ataon-dry zalahy 30 na 25 santimetatra, ka vao lalovan’ny fotoam-pahavaratra iray dia efa miseho ny olana aminy.
Dia mahagaga fa tsy menatra akory ry zareo manao fihetsiketsehana mampiseho an’ilay akora hoe “tsara sy vahaolana”.
Izany rey vahoaka no antsoina hoe “varo-draikiraiky” na “marché du dupe” sy varotra saka be loha raha tsy fantatsika.
Io izao dia ho roboka indray ny fanjakana hampiasa an’io akora io. Tsy ilay akora akory no ratsy fa ny toe-tsaina irosoana amin’ny fampiasana azy. Aoka hazava.