Tsy avelan’ny marina tsy hipoitra ny momba ny raharaha fanondranana an-tsokosoko ny andramena eto amintsika. Taorian’ny namoahan’ny “La Gazette” ny lisitr’ireo mpanondrana an’io hazo sarobidy io, ny alarobia teo, mantsy dia efa mamoaka ny horonan-tsary fanadihadiana momba ny “fandehan’ny raharaha”, hatrany amin’ny fikapana ny hazo ka tonga hatrany amin’ny fanondranana azy ireo fahitalavitra vahiny. Nisy ny olona mpanao an’io fanondranana an-tsokosoko io no hita tamin’ny sary sy voalaza anarana tamin’izany.
Tsy maintsy resahina ny momba an’ity halatra ny harem-pirenena ity, satria vao omaly no omaly, ohatra, no niakatra teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana teny Anosy teny ny namana mpanao gazety iray. Nakarina fitsarana io namana io satria notorin’ny olona iray raha nampifandray ny resaka fanondranana hazo sarobidy sy ny raharaha “kidnapping” tany Toamasina iny. Gaga no sady malahelo ny fianakaviamben’ny mpanao gazety eo anatrehan’izany, satria tsy namorona na koa nilaza vaovao tsy marina io namana io tamin’ny lahatsoratra nataony. Efa ela io lisitry ny mpanao aferana andramena io no nandehandeha tany rehetra tany, ary tsy azo inoana ho tsy mahafantatra azy io ny mpitondrafanjakana eto amintsika. Taloahan’ny nanesorana azy tamin’ny toerany dia efa namoaka lisitra izay tsy mifanalavitra loatra amin’io voalaza teo aloha io ny praiminisitra Omer Beriziky. Hita ao anatin’ireo lisitra ireo ny anaran’ity olona nitory mpanao gazety ity, koa ny fanontaniana apetraky ny maro dia ny hoe nahoana moa no tsy nitory ireo olona marobe voatanisa anarana ireo tamin’izany fotoana izany fa, taty aoriana, ity mpanao gazety no nanalan-dry zareo ny maharary azy ê?...
Mampanontany tena ihany koa ny hoe naninona no tsy “nihetsika” mihitsy ity fitondram-panjakana ity nanoloana ireny anarana be dia be nivoaka ireny?... Tsy nisy na dia mba fanadihadiana akory aza?...
Amin’izao fotoana izao àry dia ny Fitsarana ambony any Singapour, firenena nanondranan’ny sasany an’ireo hazo sarobidy ireo no nanetsika ny raharaha. Mba mahagaga ihany izany, satria ry zareo ange ka mpandray ny “entana” fotsiny ê. Izy ireo anefa no toa sarotiny alohan’ny tompony. Ny any ivelany indray izany no maharaka ny raharaha noho “isika” eto an-toerana?... “Mahavariana” mihitsy ny nahafahan’izany andramena an’aliny taonina izany niala teto Madagasikara ka mahatonga hilaza ny hoe fa dia efa “daba loaka” mihitsy tokoa ve ny sisintanintsika ê?...
Tsy avelan’ny marina tsy hivoaka anefa, hoy ny voalaza tery aloha, ny raharaha maloto toa ireny. Azo lazaina koa ny hoe misy ny hasina, dia ny hasin’ny tanindrazana sy ny mponina ao aminy, izay zava-poana tsy akory. Harem-pirenena mitentina am-polony tapitrisa “euros” ve no tavanin’olom-bitsy kanefa ny vahoaka an-tapitrisany mijaly tsy manan-kohanina; ny firenena voakilasy ho isan’ny faran’izay mahantra indrindra eran-tany?...
Mipotra tsikelikely ny raharaha, ary tsy voavidy vola na andairan’ny kolikoly ny Fitsarana any ivelany, toy ny any Singapour, koa dia andrasantsika ny ho tohiny.
Raha ny ampoizina dia hisy amin’ireo mpitondra ambony, na ny amin’izao fotoana izao, na ny efa nandalo tao, no tsy maintsy ho voaantso amin’io raharaha io koa dia ho hita eo ê… Ho maty manota amin’izay!
Lalou