Tany Toamasina ny filoha, omaly, nandray ireo sambo kely haingam-pandeha izay fanomezana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Betsaka indray ny fanomezan-toky ny amin’ny hiadiana amin’ireo fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, kanefa dia kely ihany ny finoana ny amin’ny haha tanteraka an’izany. Raha ny vaovao avy tany Singapour, firenena nahatratrarana andramena an’aliny mantsy no iverenana dia tsy nivoaka antsokosoko izany ireo harena ireo fa niala “mazava” tamina seranan-tsambo, tao anaty kaontenera. Sa ve ireto sambo kely ireto afaka hanara-maso ny sonian’ny tomponandraikitra aty “ambony” izay nanome ny alalana ny ho nivoahan’izy ireo?... Ao amin’ny manodidina akaiky kely ao ihany no tena mpanondrana sy mpiaro azy ireo fa tsy lavitra akory ê!