Hitondra ny anjara birikinay mpisolovava amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny raharaham-pitsarana eto Madaghsikara izahay, hoy ny filohan’ny holafitry ny mpisolovava, ny Me Raharison Hubert omaly.

“Manimba ny raharaham-pitsarana satria miteraka tsy fitokisan’ny vahoaka ny fitsarana ny mpijirika ary varavarana misokatra mampiroborobo ny kolikoly izy ireny ka tsy maintsy hitadiavana vahaolana ny fanafoanana azy”. Hoy ihany izy nanohy ny fanazavany.

Notsindriany fa “samy manana ny andraikiny nofaritan’ny lalàna ny sampan’asa isan-tokony eo anivon’ny fitsarana, na mpitsara na mpisolovava na mpiraki-draharaha (greffier) na mpiraki-tsoratra (notaire) na iza na iza, ka raha samy miantsoroka ny asany araka ny voafaritry ny lalàna dia ho foana ho azy ny kolikoly ary hiverina haingana ny fitokisan’ny vahoaka ny fitsarana.

Hisy ny faha-12 martsa ho avy izao ny fivoriamben’ny mpisolovava manerana ny Nosy izay hikatsahana ny hevitra hoentina amin’ny fanatsarana tian-kotratrarina, raha ny fanipihany ihany, ary efa misy ny vaomiera manokana mijoro izay ahitana ny mpisolovava eo anivon’ny biraon’ny holafitra sy ireo efa nisahana ny asan’ny filohan’ny holafitry ny mpisolovava teo aloha (anciens bâtonniers) , hoy hatrany ny Me Raharison Hubert, izay miara-mikaon-doha manomana sy mitrandraka an’izay hevitra mafonja hoentina eo anivon’io fivoriamben’ny mpisolovava io.

Isan’ny navoitran’ny bâtonnier, ny Me Raharison Hubert koa fa “endrika iray manome vahana ny mpijirika eo anivon’ny raharaham-pitsarana ny fitsanganan’ireny fikambanana mitonona ho “miaro ny vahoaka” ireny dia mifandray amin’ny olona manana olana ka izy ireny no tonga mitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana, izay matetika miharo kolikoly ka tokony hahamailo ny rehetra”.

 

Ravalo sy Andry:  Nihavana fa nahatsapa ny fahalemeny eo anatrehan’i Hery

Voatery tsy maintsy nihavana ny mpirafy ara-politika tamin’ny sabotsy faha-27 febroary 2016 lasa tetsy amin’ny kianja mitafo etsy Mahamasina tamin’ny fankalazana ny faha-80 taonan’ny fijoroan’ny sendikan’ny mpiasa teto Madagasikara. Iny fankalazana iny no nampiray ny mpifanandrina ara-politika fa tsy fampihavanana izay nataon’ny FFKM ( fivondronan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara). Nihavana tsy fidiny ny nifamono sy nifanongana teto noho ny fahalemeny eo anatrehan’ny fanjakana HVM (hery vaovao ho an’i Madagasikara) izay tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina amin’izao repoblika faha efatra izao. Tsy nampoizin’ny maro tokoa ny fiarahan’ ingahy Ravalomanana Marc sy lalao vadiny izay filohan’ny Tim

( antoko Tiako i Madagasikara) izay naongan’ny TGV izay notarihin’ingahy Andry Nirina Rajoelina tamin’ny taona 2009. Akory ny hagagan’ny malagasy rehetra nahita an’i Lalatina Rakotondrazafy, Pierre Houlder, Andriamananoro Augustin, Lylyson de Réné (kolonely) sady senatera amin’izao fotoana izao, Naivo Raholdine ary Rossy. Tsy nihafihafy tamim-pitenenana nanalabaraka an’ingahy Ravalomanana tamin’ireny fotoana ireny ary nitady ny fomba rehetra hialany tamin’ny fitondrana. Ireo no tena mpifanandrina ara-politika amin’izao fotoana izao. Nieritreritra ho samy matanjaka izy roa ireo, satria ny Mapar (Miaraka amin’ny prézidà Rajoelina) izay nanjaka tamin’ny tetezamita izay nivadihan’ingahy Hery Rajaonarimampianina tanteraka na dia samy tao amin’ity antoko ity aza izy ireo ka namorona ny HVM ingahy Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana ny ho filohampirenena rehefa nitranga ny disadisa teo amin’ny samy Mapar. Ankehitriny dia mazava ny resaka fa anjakan’ny HVM tanteraka ny raharaham-pirenena, ka hita taratra fa hanjaka tokana ity antoko ity. Ny fifidianana izay ho loholona iny no nanaporofo izany. Zara raha nahazo senatera ireo antoko roa ireo. Nihena tanteraka ny heriny. Nahatsapa izany ny roa tonta ankehitriny. Ingahy Ravalomanana Marc raha nieritreritra fa mifehy an’Antananarivo amin’ny alalan’ny vadiny Lalao, dia ny mifanohitra amin’izany no mitranga satria diso fanantenana ny olona fa tsy voavaha ny olana eto Antananarivo- Renivohitra. Na dia resaka sendika na momba ny mpiasa aza ny raharaha tamin’ny sabotsy teo dia nohararaotina izany hanehoana firaisankina tsy fidiny izao. Izy ireo dia mpanao politika fa tsy sendika nefa dia nanatevina ity hetsiky ny mpiasa ity avokoa. Inona no ho entin’iny tranga tamin’ny sabotsy teo iny? Samy mbola miandry izay ho fitohizan’iny raharaha iny ny rehetra. Dia samy maminavina ny fahitany iny raharaha iny ny olom-pirenena rehetra mandinika ny raharaha ankehitriny. Ny ao amin’ny fitondrana koa aza dia miasa saina be ihany satria raha raikitra tokoa ny fiarahan’izy roa ireo dia ho mafimafy ny fanoherana eto ary sary politika vaovao indray no hitranga vokatr’izany.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao