Mikatso avokoa ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny ankehitriny. Manopy mena tanteraka avokoa ny fambara rehetra fa ao anatin’ny fidirana amin’ny krizy vaovao ny Malagasy raha mitohy izao fiainana izao. Tsy misy zavatra mandeha intsony araka ny tokony ho izy ny fiainam-pirenena ka dia manaraka izany koa ny fiainan’ny Malagasy manontolo. Raha jerena amin’ny ankapobeny ny zavatra misy amin’izao repoblika faha efatra izao dia misafotofoto ambony ambany tanteraka ny raharaham-pirenena. Voaporofo amin’izany ny adihevitra teo aloha mahakasika ny tsy fetezan’ny lalàmpanorenana misy amin’izao fotoana izao io. Soa ihany aloha fa ingahy Hery Rajaonarimampianina izay isan’ny nampandany ary nandray anjara mavitrika tamin’ny fandaniana azy tamin’ny taona 2010 iny no mitondra ny firenena ankehitriny, ka mizaka ny vokatr’izany. Raha miverina amin’ny fikatsoana vokatry ny lalàmpanorenana ity isika dia ny fijerena ny fiainana politika sy ny fanapahan-kevitra ara-panjakana izay misedra olana lehibe amin’izao fotoana izao no tsy maintsy hojerena hanaporofoina ny tsy fetezan’io lalàmpanorenana io. Raha vao nahavita fianianana ingahy Hery Rajaonarimampianina dia tsy afaka nanendry mpikambana ao amin’ny governemanta raha tsy afaka efa-bolana. Voatery nitazona an’ingahy Omer Berziky izay praiminisitra tao amin’ny fanjakana tetezamita izy tamin’izany na dia tsy tao amin’ny sitrapony aza no nanaovany izany. Olana tamin’ny fitondrana ny firenena ny mahakasika ny andininy faha-54 izay hanendrena ny praiminisitra ho lehiben’ny governemanta. Hatramin’izao dia mbola olona lehibe ny mahakasika azy io, ary miteraka fanakianana be avy amin’ny olom-pirenena maro. Ny tena olana aza amin’izao fotoana izao dia ny mahakasika ny fanaisorana ny praiminisitra izay napetraka satria misy ny fepetra voalazan’ny lalàna momba izany. Ny fanjakana mijoro koa dia tsy misy foto-kevitra iaingana sy ijoroana fa miaina amin’ny eritreritry ny filohampirenena ihany. Vokatr’izany dia sady tsy fanjakana ao amin’ilay antsoina hoe “ regime présidentiel” na ny fanjakana izay ny filohampirenena no manendry mivantana ny praiminisitra, ary tsy “regime parlementaire” koa, ka olona avy amin’ny maro an’isan’ny parlemanta no angalana izay ho amin’izany toeran’ny praiminisitra izany. Voatery mandika lalàna fototra ny filohampirenena sy ny mpitondra amin’izao fotoana izao, ary toa ny fanjakana tantanin’ny “mpanjaka” aza no misy eto Madagasikara. Raha io lalàmpanorenana io no tsy voahaja dia ny filohan’ny repoblika izay manao ny fandikana lalàna dia tsy maintsy aongana. Izay efa nitranga tamin’ny volana jona sy jolay tamin’ny taona 2015 iny, ka nataon’ny antenimierandoholona. Hatramin’ny HCC ( fahefana avo momba ny lalàmpanorenana) avy no voakiana mafy fa tsy nampihatra ny lalàna tamin’iny raharaha iny ka nahatonga ny antsoina hoe “ fifanaram-piaraha-miasa” izay tsy nisy fampiharana hatramin’izao satria mbola tsy voalazan’ny lalàmpanorenana ihany koa. Tsy izany ihany fa mbola olana ihany koa ny mahakasika ny momba ny tsy fahavitan’ny fametrahan’ny fitsarana avo (haute cour de justice) izay tokony hajoron’ny filohampirenana herintaona aorian’ny fianianany izany.Ny tsy fanaovany izany dia manala azy amin’ny toerany maha filohampirenena azy raha ny voalazan’ny lalàna hatrany. Maro dia maro no zavatra mifandaka ao amin’io lalàmpanorenana io ka tsy ahazoana miasa hitondrana firenena sy hampandroso. Tsy izany ihany fa mbola olana goavana mipetraka amin’izy io koa ny mahakasika ny fitsinjaram-pahefana tena izy na ny “décentralisation” izay tsy voasoritra mazava tsara ny tena hitondrana izany. Dradradradraina fa miantomboka any ifotony ny fampandrosoana sy ny fahefana nefa mbola mivangongo eto an-drenivohitra avokoa na ny fanapahan-kevitra sy ny vola na ny fahefana rehetra. Sady milaza fa manao fitsinjaram-pahefana no milaza ny mpitondra ankehitriny fa izay ben’ny tanàna tsy momba ny HVM (Hery vaovao ho an’i Madagasikara) izay antokon’ny mpitondra, ary tsy manaraka ny baikony dia tsy omena fanampiana sy ho esorina fa hosoloina PDS (filohan’ny delegasionina manokana). Santionany amin’ny olana apetraky ny lalàmpanorenana amin’izao fotoana izao avokoa izany. Tsy mahagaga raha toa ka niteny ny filohan’ny antenimierandoholona ingahy Honoré Rakotomanana raha nanokatra ny fivoriana voalohany tsy ara-potoana ny andrimpanjakana ity tamin’ny faha-9 febroary 2016 lasa teo fa isan’ny hovaina ny io lalàmpanorenana io, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy. Marina tokoa izany ary tokony ho sahy handray andraikitra amin’izany ny fitondram-panjakana amin’izao, satria raha jerena amin’ny fo tsy miangatra dia ity lalàmpanorenana ity no fototry ny olana sy ny disadisa ary ny fahantrana mahazo ny firenena. Raha ovaina anefa izany dia tsy tokony hijerena ny tombotsoan’olona mpitondra amin’izao fotoana izao fa aoka kosa ny tombotsoan’ny firenena no hojerena. Ny fanovana governemanta, ny disadisa eo amin’ny parlemantera sy fiadidiana’ny repoblika ary ny filohan’ny firenena, ny tsy mampandeha ny raharaham-panjakana amin’ny ankapobeny amin’izao fotoana izao dia noho io lalàmpanorenana io avokoa. Na hosoloina hatramin’ny filohan’ny repoblika dia mazava fa tsy maintsy hitranga hatrany ny olana amin’ity lalàmpanorenana tsy zarizary ity. Maro ny olona no mitaky ny fanovana azy io, mbola tsy tamin’izao ihany satria tany amin’ny tetezamita aza dia ny “tondrozotra” no nitondrana ny firenena fa tsy izy io ka noho izany dia tokony hanana fahasahiana maika amin’ny fanovana azy io ny fanjakana raha mitady filaminana sy fampandrosoana tena izy ho an’ny Madagasikara.
Jesy Rabelaolao
Tanin’ny malagasy robain’ny vahiny: Mihetsika manohitra ny any amin’ny faritany
Isan’ny ianjadian’ny fibodoana sy fandrobana tany ataon’ny vahiny ny vahoaka any amin’ny faritany.
Raha ny fanazavana nentin’ireo mpitarika ny “Hetsika Madagasikara miaro an’ireo Nosy malagasy” dia efa hatramin’izay no tafiditra tao amin’ny tolona nandraisana anjara, ary mbola mitohy hatramin’izao ny fiarovana ny Nosy lehibe Madagasikara fa tsy hoe navela na natakalo ny hafa, fa ny fitakiana an’ireo Nosy malagasy ao amin’ny lakandranon’i Mozambika izay mbola bodoin’i Lafrantsa koa tsy azo avela na angatahana andro fa ho tompony mangataka ny atiny isika Malagasy raha manjehy ny andro ho lava eto amin’izy ireo satria efa mitrandraka ny harena ao ny frantsay, amin’ny alalan’ny vondrom-barotra vahiny hafa, kanefa isika Malagasy no tompony”.
Amin’izao fotoana moa dia efa mahazo vahana any amin’ny faritany ny hetsika, raha ny fanampim-panazavana nataon-dRajaonah Andrianjaka, mpitarika ny Otrikafo. Tamin’ny faran’ny herinandro teo ary nitohy hatramin’ny omaly izao, ohatra, dia tany amin’ny renivohitr’i Betsimisaraka tany Toamasina ireo mpiara-dia ao amin’ity “Hetsika Madagasikara miaro an’ireo Nosy malagasy” ity nanentana sy nitondra vatsin-kevitra ho amin’ny fandrindrana ny tolona tany amin’ireo mpitarika ny hetsika any.
Vonona koa ny any Toamasina hanao ny famoriam-bahoaka ny faha-29 martsa ho avy izao, toa ny hatao eto Antananarivo, eny amin’ny kianjan’Antsahamanitra, ho amin’ny fanamafisana ny hetsi-pitakiana ny fialan’ireo vahiny mibodo ny tanin’ny Malagasy, na eto anivon’ny Nosy lehibe Madagasikara na any amin’ireo nosy hafa toa an’i Nosy Be sy Nosy Boraha (Sainte Marie) ary isan’izany koa ny any amin’ireo nosy malagasy manodidina ao amin’ny lakandranon’i Mozambika.
Hiazo ny faritany hafa ry zareo aorian’ity any Toamasina ity, ka fantatra fa i Mahajanga sy Fianarantsoa no ao anatin’ny fandaharam-potoana manaraka amin’ity herinandro ity.
Raha ny fahavononana sy fahavitrihan’ny any Toamasina aloha, araka ny fanampim-baovao dia tena mahavelom-bolo tokoa satria mahatsiaro ho voa mafy ny mponina malagasy amin’ny afitsoky ny vahiny amin’io fibodoana ny tanin’ny Malagasy io. Ny karana no voalaza fa tena lohalaharana amin’izy io satria miseho ho manam-bola dia mahasahy mividy manam-pahefana izy ireny mba hahazoany ny tanin’ny Malagasy. Voalaza fa efa manomboka mamaritra tany any koa, izay an’ny Malagasy, ny sinoa sasany, ary tsy latsa-danja amin’izany ny afitsoky ny tetik’asa sasany izay omen’ny mpitondra sasany vahana. Nilaza ny tsy hanaiky lembenana koa amin’ireo Nosy malagasy mbola bodoin’ny Frantsay ao amin’ny lakandranon’i Mozambika na ireo nantsoina hoe “Iles éparses” ny any Toamasina fa hifamondron-kery amin’ny Malagasy rehetra mitaky an’ireo Nosy ireo.