Tsy misy izay tsy mimenomenona noho ny afitsoky ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana izao ny vahoaka malagasy. Tsy vitan’ny hoe tsy miraharaha izay fahasahiranam-bahoaka mantsy izy ireo fa hita mibaribary koa fa miaina migalabona eo ambonin’izany fahasahiranana izany amin’ny karamabe sy ny tombony ary ny tambiny raisin-dry zareo. Raha matin’ny hanoanana, ny kere, ohatra ny vahoaka any atsimo dia manao fanasambe, misotro sy mihinana ny teny Iavoloha; raha miaina amin’ny “karama vary masaka” ny mpiasam-panjakana sy ny mpandray fisotroan-dronono dia mandray an-tampitrisany maro, ankoatra ny tambin-karama isan-karazany ny olom-boatendry sy olom-boafidy nomena toerana; raha voatery mandeha an-tongotra ny valalatsimandadiharona fa tsy mahatakatra ny saran’ny fiara fitateram-bahoaka dia iantohana fiara raitra sy ny solika hampandeha azy ny ao ambony ao sy ny vady aman-janany. Tsy izany mihitsy no nandrandraina tamin’ity Repoblika fahefatra ity kanefa moa…
Tsy vitan’ny hoe ny mpitondra ambony ihany anefa no manao ny ataony fa raha ny vaovao re tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity dia efa “mitrifana” ihany koa ny zanak’izy ireo.
Re àry fa tany amin’ny faritr’Anjozorobe tany dia nidongy tanin’olona ny zanaky ny mpitondra faran-tampony, ka rehefa tsy nanaiky izany ny tany an-toerana dia nitondran’ity mpanao barofo mpitandro ny filaminana ary dia nahafaty zanaka Antandroy izy ireo tamin’izany. Namory ny mpampahalala vaovao ireo nanana ny maty ary nilaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany koa dia andrasana izay ho tohin’ny raharaha. Andrasan’ny rehetra izany satria na lazaina ho ny “mpitandro ny filaminana” aza no nahafaty ilay olona dia tsy afaka fa manana andraikitra amin’izany koa io zanaky ny mpitondra faran-tampony izay nitondra ireo mirongo fiadiana ireo tany an-toerana. Hahazo ny sazy sahaza azy ve io “manana andraikitra” io?...
Ho hita eo!
Avy any amin’ny faritra atsimon’ny nosy any koa no nandrenesana fa zanaka minisitra mbola eo amin’ny toerana amin’izao fotoana izao no tratra ambodiomby, araka ny fitenenana, nanao trafikana tangoaraka, na “corail noir”. Zanaky ny minisitry ny Tontolo iainana teo aloha io tratra io, ary harem-pirenena voasokajy ho arovana sy tsy azo trandrahina io nanaovany trafika io, izany hoe tsy afaka ny handa na hilaza ho tsy mahafantatra ny heloka nataony io olona tratra, izay mbola nandositra ihany koa io. Tsy izany ve no tonga amin’ny lazain’ny mpahay lalàna hoe “circonstance aggravante”, na hoe ?... Andrasan’ny rehetra ihany koa ny ho tohin’ny raharaha, sao, sanatria ka ho vitavita mora indray. Efa nisy mantsy tany aloha ny nandrenesana ny hoe zanaka mpitondra ambony be no nanondrana andramena an-tsokosoko tany ivelany, ary dia nangina tampoka ny raharaha avy teo...
Vao tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity koa no noresahina teto ny momba ireo lazaina fa “atidoha” nikotrika ilay fakana an-keriny zaza mianadahy tany Toamasina, ny faramparan’ny taona lasa iny. Nametrahana fanontaniana tamin’izany ny hoe ireo marina tokoa ve no tena tompon’andraikitra voalohany sa natao sorona hanakonana ny tena “goavana “izy ireo?...
Mila valiny avokoa izany rehetra izany, fa ny tena andrasan’ny maro dia ny hoe hampiharina amin’izay ve ny lalàna sa hoe an an an?...
Lalou