Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny espace Vatomanga etsy Antohomadinika omaly ny fianakavian’i Mandimbisoa, dia ilay tovolahy vao 29 taona avy any Androy, niakatra taty Antananarivo mba hanampy ny havany mitrandraka vatosoa any Anjozorobe.

Nisy ny olana momba ny fizaka-manana ny tany itrandrahana an’io vato io any Anjozorobe ary niakatra fitsarana. Ireo efa nitrandraka teo hatry ny ela moa dia notetehin’ny fianakaviana Rajaonarimampianina ahilika amin-keriny, ka nisy ny fitondran’ny rahalahin’i Hery Rajaonarimampianina (Aina Rajaonarimampianina) manamboninahitra ambony eo amin’ny laharan’ny kolonely roa tany an-toerana, volana vitsy lasa izay. Tamin’iny herinandro lasa iny indray dia ny zanaky ny filohampirenena Rajaonarimampianina, antsoina hoe “Mathieu” no nidina nitondra miaramila tany an-toerana, haka an-keriny an’ilay tany.

Ny didin’ny fitsarana moa dia mbola tsy nanaisotra avy hatrany an’ireo mitrandraka eo satria mbola ifamaliana. Ny nahagaga an’ireo olona efa nihary teo dia ny fisian’ny didim-pitsarana vaovao navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany izay manome rariny ny olona miara-dia amin’ny zanaky ny filohampirenena nefa efa niakatra eny anivon’ny fitsarana ambony ny raharaha.

Tsy ara-dalàna aloha izany na olona tsy mahay lalàna aza no miresaka an’izany.

Tonga nikasa hampihatra ny didim-pitsarana tany an-toerana ny vadin-tany, ny Me Randrianasolo Rodolphe,niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana maromaro.

Nasehon’ireo olona nihary tany hatry ny ela ny taratasy avy amin’ny fitsarana izay mbola nanome alalana an-dry zareo hihary eo. Io didim-pitsarana nokasain’ny vadin-tany hampiharina io ilay mahavariana satria efa any amin’ny fitsarana ambony ny raharaha.

Tetsy an-kilany, araka ny fanampim-panazavan’ny olona efa nitrandraka tao hatry ny ela ary mifanolana amin’izao fotoana amin’izany, dia nisintaka ny vadin-tany sy ny mpitandro ny filaminana niaraka taminy. Nanaitra ny andian’olona hafa niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana hafa izany ka avy hatrany dia nilaza ry zareo, hoy ny fanampim-panazavana hoe “aleo hidiranay rehefa tsy hanao ianareo”. Tamin’io no nanombohan’ny fifanjevoana satria avy dia nanapoaka basy ireo mpitandro ny filaminana niaraka tamin’ny zanak’i Hery Rajaonarimampianina. Re tamin’ny horonan-tsary nasehon’ ny mpanao gazety omaly mihitsy ny feo nilaza sy nanome baiko hoe “tifiro io maka sary io”.

Tamin’izany no nahavoa an’i Mandimbisoa.

Tsy hita moa ny fatiny taorian’io, hoy ireto ray aman-dreniny avy any Androy ireto, i Tsimiondra Tomasy dia anisany amin’izany.

Teo no nahatonga azy ireo ho nampiaka-peo omaly satria tena “famakiana ady aminay Antandroy no ataon-dRajaonarimampianina”, hoy i Tsimiondra Tomasy. I Tsimiondra Tomasy izay nanamarika omaly fa “zanakay avy any Androy koa no efa novonoin’izao fitondram-panjakana izao tany Tsiroanomandidy tamin’iny taona lasa iny, izay nahatratra 17 no fitambarany raha ny tany Bongolava tamin’ny ankapobeny. Ny iray tamin’ireo no tsy hita ny lohany hatramin’izao. Nohamafisin’i Tsimiondra Tomasy omaly fa “alika no namiravira ny lohan’ilay zanakay tany Tsiroanomandidy, raha ny ako renay tamin’ny mponina tany taty aoriana.

Tsy mitaky na inona na inona amin’ny fitondram-panjakana intsony izahay izao, hoy ihany ireto zanak’Androy ireto omaly fa hitady ny fatin’ny zanakay izahay, ka raha nahandroin-dreo dia tianay ho hita ny vilany nahandroina azy ary raha nomen-dreo ny alika dia aiza ilay alika nampihinanin-dreo azy?

Teo dia notsiahivin’i Tsimiondra Tomasy ny tranga tamin’ny aprily 1971 tany amin’ny faritra atsimo. 3000 no nataon’ny fitondrana Pisodia vono moka tamin’izany, hoy izy, ka ny antsasak’ireo dia ny kibon’ny alika no fasana nilevenanay. Tsy azonay andeferana izany fa toa tsy olombelona izahay.

Nitodika avy hatrany tany amin’ny fitondram-panjakana i Tsimondra Tomasy omaly ka nilaza fa “raha ady no tadiavinareo mpitondra fanjakana ankehitriny dia vonona izahay”. Sao ianareo dia mieritreritra fa manana basy ka afaka hanao izay tianareo, hoy izy? Diso adiresy ianareo amin’izao tranga anamparanareo fahefana izao fa tsy hanaiky lembenana intsony izahay.

Raha fandatsahan-dra sy fanaisorana ain’olona no hieritreretanareo mpitondra hitantanana ny firenena dia diso ianareo satria maro no efa nitondra fanjakana teto izay saika nandatsa-dra ny mpiray tanindrazana aminy hatrany fa tsy i Hery Rajaonarimampianaina irery, saingy tsarovy fa misy fetrany izany fa aza mihevi-tena ho tsy tratry ny aloka, hoy i Tsimiondra Tomasy omaly, hentitra.

72 tapitrisa ariary no nampitondrain-dRajaonarimampianina nanambatambazana sy nambara fa nanonerana ny fahavoazan’ny havanay avy any Androy tamin’ny famonoana ny zanakay tany Tsiroanomandidy, volana iray lasa izay, hoy ihany i Tsimiondra Tomasy omaly. Tany Tsiroanomandidy izany fa ny eto amin’ity raharaha tany Anozorobe ity dia i Tsimiondra Tomasy no mijoro ka na vola 1 000 tapitrisa ariary na 20 000 tapitrisa ariary (1 miliara-20 miliara) dia tsy mahavidy ny tenako.

Manainga ny mpiray tanindrazana manerana ny Nosy izahay, hoy ihany i Tsimiondra Tomasy omaly mba hijoro hamongotra izao fihetsika mamohehitra ataon’ny fitondrana Rajaonarimampianina izao fa potika ny vahoaka sy ny firenena. Jereo, hoy izy, fa any amin’ny faritr’i Sofia dia efa omen’ny fitondrana vahana ny vahiny handroba ny tanim-bahoaka, ny faritra hafa, vonoina ny mpiray tanindrazana, ny toerana hafa potiky ny kere ny vahoaka, ka ela loatra ity raharaha ity fa aleo hiara-mientana isika ka tsy hanaiky intsony.

Ambohijoky: 20 km miala an’Antananarivo dia tsy hitan’ny fitondrana Hvm

Kaominina iray ao anatin’ny distrikan’Antananarivo

Atsimondrano no misy an’Ambohijoky. 20 km eo raha miala mianatsimo avy etsy Anosizato, mandalo an’iny lalana miazo an’Ankadivoribe Atsimo sy Ampahitrosy iny.

Isan’ny tra-boina tamin’ny taon-dasa toa izao Ambohijoky noho ny rano tondraka tamin’iny faritra iny. Amin’izao fotoana dia mitoka-monina ny vahoaka eny satria tapaka ny lalana. Voatery mita rano ny mponina.

Mba misy ihany lalana mivoaka amin’iny tetezan’Ambatofotsy iny fa amin’ny fotoam-pahavaratra toa izao dia tsy azo diavina koa.

Kaominina isan’ny mamatsy anam-bazaha na “legumes” sy voninkazo ary hanin-kotrana toa ny mangahazo sy vomanga, mbamin’ny vokatry ny fiompiana toa ny kisoa sy akoho amam-borona an’Antananarivo ity kaominin’Ambohijoky ity, nefa dia tena ambany maso tsy hita eo anoloan’ny fitondram-panjakana Hvm.

Hahagaga ve raha toa ka very tanteraka ny vahoaka any ambadiky ny 500 km miala an’Antananarivo? Izay fotodrafitrasa tazan’ny mpamatsy vola avy any ivelany sy talaky mason-dry zareo ihany no ihazakazahana ny fanarenana sy fanamboarana azy satria iny koa misy “ambony ampanga” ahilika any an-tsikinan’ny manam-pahefana (commission).

Ny volam-bahoaka tokony haverin’ny fitondram-panjakana foibe any amin’ny kaominina izay 12 tapitrisa ariary isan-taona monja koa anefa mbola tsy hita voaka hatramin’izao ka tena mahatsiaro ho kamboty velon-dray aman-dreny ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana amin’izao fotoana e!