Nalaza tamin’ity herinandro ity ny raharaha tany Ankaraoka, Anjozorobe, nisian’ny miaramilan’ny “garde présidentielle”, na ireo natao hiantoka ny fiarovana ny filoham-pirenena izay nentin’ny zanaky ny ambony nanala olona tany amin’ny toerana fitrandrahana vato. Tsy vitan’ny nanala ireo olona fotsiny ireto miaramila fa dia nitifitra mihitsy, araka ny vaovao azo, ka nisy ny maty tamin’izany.

Zanaka Antandroy moa no voalaza fa io maty io koa mazava ho azy fa dia nampiaka-peo ireo mpiray foko aminy satria koa dia mbola tsy hita ny vatana mangatsiakan’ny havany hatramin’izao.

Tsy ela koa anefa dia nisy indray ny nitsangana, namoaka ny fahitany ny raharaha, niaro ny tsy azo arovana. Tsy azo arovana, hoy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena, satria na inona na inona ho filazan-dry zareo dia tsy ho voazava mihitsy ny antony nitondrana ireo mpiaro ny filohan’ny Repoblika tany an-toerana. Tsy nisy fitsidihana nataon’ny filoha tany koa nahoana no tany an-toerana izy ireo? Iza no naniraka azy ireo tany?... Mipetraka ny fanontaniana satria tsy tokony “hihetsika” ireo mpiambina ny filoha ireo raha tsy ny lehibeny no nibaiko azy ireo. Iza àry io lehibe nandefa azy ireo tany io, ary inona no iraka nampanaovina azy ireo tany?... Ny hitifitra ve, na dia nolazaina fa tifi-danitra aza no natao?... Mila fanazavana izany rehetra izany!

Mba hampanginana ny raharaha sy ho fampitahorana an’ireto zanaka Antandroy, angamba, dia aely indray amin’izao fotoana izao ny resaka foko. Asa àry na inona no idiran’ny adim-poko amin’izany ê?... “Tsongoy fon’ny tena, tsongoy fon’ny olona”, hoy ny fitenenana, fa na foko inona na foko inona no manana havana vonoin’ny miaramila kanefa tanam-polo tsy nanan-kamaliana toa ireny dia tsy maintsy ho nikiakiaka ihany angamba an? Vao tsy ela loatra koa mantsy no nisy ny raharaha tany amin’ny faritra andrefan’Antananario, tany Tsiroanomandidy, ary zanaka Antandroy koa no novonoin’ny miaramila ka naleviny an-tsokosoko, tsy hita ny lohany. Tokony hangina ve izany ireo mpiray foko aminy, satria sao dia hampangaina ho manao adim-poko?... Asa?...

Asa koa anefa na fifandrifian-javatra na ahoana fa mitsingerina amin’ity taona 2016 ity ny faha-45 taonan’ny raharahan’ny faha-1 aprily 1971, izay nandripahan’ny mpitandro ny filaminana tamin’izany fotoana izany ireo olona tany atsimo. Fifandrifian-javatra ve ny hoe Ingahy Monja Jaona, izay Antandroy ihany koa, no nitarika ny fihetsiketsehana tamin’izany fotoana izany ka nataon’ny mpitondra hazalambo?...

Ny zavatra voamariky ny mpanaraka ny raharaham-pirenena dia ny hoe efa am-polon-taonany maro aty aorianan’ny niverenan’ny fahaleovantena dia mbola tsy niova ihany ny mpanao pôlitika malagasy. Mbola tsy niova fa raha vao mandray fitondrana dia “mamorona” fahavalo lazaina fa mitady hanongam-panjakana, na koa mitady hamono ny filoha. Tsy izany ve no misy amin’izao fotoana izao ka nampitomboana isa ny mpiambina ny filoham-pirenena ê?... Sa nampitomboina isa mba hampiasain’ny zanany amin’ny fakana tanin’olona?... Mbola tsy niova ihany koa ny mpanao pôlitika malagasy fa rehefa sahirana amin’ny nataony ka tsy mahita fanazavana mitombina amin’izany dia ny fandrangarangana adim-poko hatrany no fitaovana entina “hiarovana” ny seza… Mampalahelo!

Mbola tsy niova ny mpanao pôlitika malagasy fa asa ny vahoaka raha mbola ho voajono amin’izany ihany?...

Lalou