«Maso solon’ny maso ary nify solon’ny nify ». Izany ve sanatriavina no ho endriky ny fifampitondrana ara-piaraha-monina eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny fiangonana eto Madagasikara ?
Inona indray àry izany, angamba, hoy ianao mpamaky ?
Tsorina ny resaka. Tsy zakan’ny mpino maro ao anivon’ny Fjkm ny nahenoan’izy ireo tamin’Ingahy Ravalomanana, filoha mpanampy eo anivon’ny mpiandraikitra foibe Fjkm fa « ny manodidina ny filohampirenena no tena tao andamosin’ilay raharaha pastora Rasendrahasina ». Izany hoe raha ambara amin’ny fomba hafa dia notondroin’Ingahy Ravalomana ho nanao izay hahavoa ny pastora Rasendrahasina ny eny Mavoloha.
Dia ireny niarahantsika nahita ireny ny tohiny fa nahatsiaro ho menatra sy afa-baraka ny fiangonana Fjkm ka nandresy lahatra ny pastora Rasendra-
hasina hisintaka amin’ny fitantanaa ny Fjkm ry zareo, ary namindra ny fisahanaa ny andraikitra amin’ireo filoha mpanampy roa eo anivon’ny mpiandraikitra foibe.
Anjaran’ny Filoha Rajaonarimampianina indray kosa àry izao ny mizaka ny takalony. Niteraka ady hevitra miharo fanamelohana eo anivon’ny mpino maro ao amin’ny Fjkm ny nahita na nadre ny akon’ ny lahatsoratra navoakan’ny Gazety boky « Jeune Afrique » farany teo, ny amin’ny fanamafisana fa « niditra ho mpikambana eo anivon’ny « Franc Maçon » ny filoha Rajaonarimampianina.
Isan’ny mpitondra voataiza tamin’ny finoana kristiana teo anivon’ny FJkm ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary zanaka mpitandrina tao amin’ny Fjkm mihitsy aza, ankoatra ny fananany rahalahy iray tampo mbola mpitandrina koa, nefa dia lasa namono tena (fanahy) any amin’ny sokajin’olona mifanaraka amin’ny satana, dia ny « Franc maçon » izany ».
Fahavetavetana eo imason’ Andriamanitra sy Jesosy Kristy lohan’ny fiangonana Fjkm izany fihetsiky ny filohampirenena izany, hoy ireo mpino eo anivon’ity fiangonana ity.
Maro amin’izy ireo no efa naneho avy hatrany ny fitsipahany an’ity filohampirenena ity.
Nisy mihitsy aza ny manana eritreritra handresy lahatra ny mpitandrina any amin’ny fiangonana Sabotsy Namehana izay mitandrina amin’ny tafo maha-diakona ny filoha Rajaonari-
mampianaina mba hanongana azy amin’izany andraikitra maha diakona azy izany.
Voasoritsoritr’ity Gazety Boky « Jeune Afrique » ity amin’ny antsipirihany mihitsy ny fidiran-dRajaonarimampianina Hery ao amin’ity rafitra hafahafa ity.
Izahay eto amin’ny La Gazette de la Grande Ile moa dia efa nanipika an’ity vaovao ity ihany tamin’ny faramparan’ny taona 2013, nefa notorahan’ny olona sasany vato (fanakiana sy tsiny) fa hoe « tsy fitiavana azy izany ».
Tamin’izany mantsy, raha tsaroantsika, vao vita ny fifidiana filohampirenena fihodinana faharoa, dia niazo an’i Lafrantsa Ingahy Rajaonarimampianina fa tsy nahavita niandry akory ny fivoahan’ny voka-pifidianana. Tamin’izany no nahenoanay fa « nanao velirano na fianianana teo anoloan’ireo mpiantoka azy tao amin’ny toerana natokana ho amin’ny fanaovana izany ho an’ny mpiditra ho mpikambana Franc Maçon izy ».
Dia anjaran’ny mpino FJkm indray koa izany izao, raha izany, ny mandresy lahatra sy mpanery ny filohampirenena Rajaonarimampianina hahatsiaro tena amin’ny andraikitra nametrahan’ny vahoaka fitokisana taminy satria efa naman’ny nivadi- pitokisana izy amin’izao fidirany ho Franc Maçon izao. Aza hadinoina fa isan’ny nitsipahan’ny mpino kristiana maro ka tsy nifidianany ny Dr Jean Louis Robinson ny fanambarana nataony talohan’ny fifidianana fihodinana faharoa fa « mpikambana Franc Maçon » ny tenany.
Raha sanatria ka tsy misy fepetra horaisin’ny vahoaka malagasy amin’ny filoha Rajaonarimampianina, rehefa tsy hahatsiaro tena izy, dia ahiana hampanao lalàna eto izy ka ho tonga hatramin’ny fanekena ny fanambadian’ny lahy samy lahy sy vavy samy vavy, ankoatra ny lalàna hafa haneren’ireo mpiara-dia aminy ao amin’ny « Franc Maçon » ho tsy maintsy tanterahina.
Faralahy