Mbola tsy mitsahatra ny resaka sy fanehoan-kevitra momba ny raharahan’Anjozorobe sy ny zanak’Androy hatramin’izao. Omaly dia naneho ny heviny ho fanohanana sy fanambarana fiarisan-kina amin’izay nanjo an’ireo mpitrandraka vatosoa tany Tsirioanomandidy ka niharan’ny herisetran’ny zanaky ny filoha ny mpisehatra politika sy mpitarika fikambanana maromaro eto Antananarivo toa an-dRakotomanga Eric (Akfm), Rajaonah Andrianjaka (Otrikafo), Joseph Yoland (loholona teo aloha), Alain Ramaroson, Me Willy Razafin-

jatovo (Olala), ny avy amin’ny Fikambanana Tambatra, ny Fikambanana Aro Riaka sy ny maro hafa.

Samy nanameloka an’iny fihetsika niharo herisetra ka namoizana aina tany Anjozorobe iny izy ireo, ary nilaza mihitsy fa «raha zanaka mpitondra fanjakana ambony no nahavanona an’izany dia efa mihoatra ny loha ny fihetsika ka tsy tokony handeferana mihitsy».

Omaly koa anefa dia nilaza fa nadefa iraka nampanao fanadihadiana tany an-toerana ny fari-piadidian’ny zandary eto Analamanga, ka nanambara izy ireo fa « tsy nisy olona maty izany tany, ary indroa monja no nisy feom-basy ». Tsy nisy koa na naratra aza, hoy izy ireo.

Izany no anombohan’ny fanelezana feo fa « nanely vaovao tsy marina sady nampisavorovoro saim-bahoaka i Tsimiondra Tomasy, rahalahin-drain’i Mandimbisoa, ka tsy maintsy hosamborina satria hoe fandikan-dalàna famaizana izany ».

Ity ny tenako, tsy hitsoaka na handositra fa vonona ny hosamborina raha izay no mahafa-po anareo mpitondra fanjakana, hoy i Tsimiondra Tomasy, fa raha vitanreo ny misambotra ny tenako dia fantaro fa hahita raharaha hafa ianareo.

Anjozorobe: Narian’ireo mpitandro ny filaminana any Betsiboka ilay faty ?

Vao mainka miha mangotraka ny raharahan’Anjozorobe sy ny zanak’Androy satria manomboka tsy mitsahatra mamaly bontana ny fitondram-panjakana sy ny ranatsa-mangaikany mbamin’ireo saribakoliny.

Ny tompon’andraikitry ny fiadidiam-paritry ny zandary eto Analamanga (Cirgn) izay tarihin’ny Jeneraly Rakotomahanina Florens indray mantsy no nampitenenin’i Mavoloha ny zoma teo ary nanizingizina fa “tsy nisy maty tany ary in-droa nipoaka tamin’ny alalan’ny tifi-danitra no niseho tany”. Nilaza ny Jeneraly Rakotomahanaina fa “naniraka zandary nanao fanadihadiana tany an-toerana mihitsy, ary samy nilaza, hono, izay nanontaniana fa tsy nisy nandre fitifirana izany”.

Ny ampitson’io ihany, ny sabotsy maraina dia nivahiny mivantana tao amin’ny vaovaon’ny Radio Viva i Jean Irmand, rahalahin’ilay namoy ny ainy (Mandimbisoa) sy i Maka Bonapart, ilay nifanazavana tamin’ilay vadin-tany (Me Randrianasolo Rodolphe) nikasa hampihatra an’ilay didim-pitsarana.

Samy nanamarika izy ireo fa “lavitra tanàna io toeram-pitrandrahana vato (carrière) io, ary azo antoka fa tsy handre mihitsy poa-basy ny manodidina satria raha kely indrindra dia lalana dia an-tongotra ora efatra vao misy tanàna.

Notsindrian’i Jean Irmand kosa ny tenin’ilay mpiara-mitrandraka vato tamin-dry zareo izay tafaraka farany tamin’i Mandimbisoa. Samy nitsoaka nandositra noho ny tifitra variraraka avy amin’ireo mpitandro ny filaminana nomen’i Mathieu baiko izahay, ary efa naratra mafy i Mandimbisoa, ilay tafara-dia taminy koa zary folaka ny tongony noho ny fianjerana matetika tao anaty lavaka, ary ny nihafarany dia nanavo-tena ilay folaka tongotra fa i Mandimbisoa kosa nidoboka tao anaty hantsana iray lalindalina ihany.

Ny akom-baovao iray re ankoatra izany dia hoe “ireo mpitandro ny filaminana nanenjika tamin’ny tifitra an’ireo olona tany an-toerana dia nanara-dia tokoa ary azo antoka fa ho nahita ny fatin’i Mandimbisoa tao anaty hanatsana ka nanary izany tao amin’ny reniranon’I Betsiboka, izay tsy lavitra eo.

Tsy maintsy manadio tena ny mpitandro ny filaminana, ary tsy vaovao amin’ny vahoaka Malagasy izany. Tsy maintsy ny tenin’izy ireo ihany no inoan’ny mpitondra fa marina.

Firifiry izay fahafatesan’olona nitranga nateraky ny fitifirana nataon’ny mpitandro ny filaminana izay fa na olon-dratsy no maty voatifitra na olona tsy manan-tsiny, na fanahy ninian’ny mpitandro ny filaminana no namono na tsy nahy, dia ilay maty hatrany no diso fa ny manana ny marina dia ny mpitandro ny filaminana hatrany.

Ny tokony ho nahagaga izany dia ny nilazan’ny tompon’andraikitry ny zandary eo anivon’ny “Cirgn” hoe “lainga ny vaovao maro nivoaka hatramin’izay fa nanao tifitra maro sy tsy nifandrenesana ka nahavoa olona ny mpitandro ny filaminana tany Anjozorobe”. Raha vao ny mifanohitra amin’izay dia tsy mahagaga ary tsy vaovao fa fanadiovan-tena sy fiampangana ny hafa fotsiny.

i Jean Irmand rahalahin’ilay maty aloha raha ny fanazavany tamin’ny sabotsy maraina tao amin’ny Radio Viva dia tena nanamafy ny fahafatesan’ny rahalahiny vokatry ny fitifiran’ny mpitandro ny filaminana azy.

Faralahy