Mateti-pitranga amin’izao vanim-potoana izao ny fanolonana zaza tsy ampy taona. Raha ity tranga iray ity no hasian-teny dia mampahonena tokoa ny zava-niseho, satria dia ny rahalahin-drainy ihany (zanak’olona mpiraharalahy iray tampo) no nahavanon-doza. Tany amin’ny taona 2013 no niantombohan’ny fanolanana azy raha toa ka mbola 16 taona monja ilay zavavavy niharan’izao asa mamoa fady izao, mangina fotsiny noho izay mety ho henatra sy fahafaham-baraka eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina. Satria dia ny volana janoary 2016 lasa teo vao nahafantatra ny rainy fa nanaovan’ilay rahalahiny amboletra ny zanany vavy nandritra io fotoana io. Ity rahalahiny tsy mataho-tody ity moa, araka ny vaovao voaray, dia nampiantranoin’ilay rain-jaza voaolana teny amin’ny 67 Ha nandritra izany fotoana rehetra izany. Tsara ho fantatra fa efa fanintelony amin’izao ralehilahy no nahavonon-doza tahaka izao, ary fantatra ihany koa fa tafiditra mpiasan’ny sampan-draharahan’ny tahirim-bolam-panjakana any Miarinarivo izy io vao tsy ela akory izay…  

Noho izany dia nametraka fitoriana ny rain’ilay zavavavy ka voatana vonjy maika eny am-ponja ilay dadatoa namoa-tsampona amin’izao fotoana izao. Nanomboka tamin’ny alarobia lasa teo, raha ny marimarina kokoa. Manahy anefa ity raim-pianakaviana ity ankehitriny fa toa mahita làlana ambanin’ny tany ireo ray aman-dreninin’ity mpanolana ity mba hanavotana azy any am-ponja. Mazava ho azy fa vola no hozatry ny zava-drehetra amin’ny tranga tahaka izao, raha tsy hilaza afa-tsy ny mety ho fisehoan-javatra eny anivon’ny fitsarana. Marihina ihany koa fa ny alarobia ho avy izao no hiatraka fitsarana indray ity raharaha ity. Ho hita eo, araka izany, raha toa ka voavidim-bola marina ireo mpitsara na mpanao lalàna sasantsasany eto amin’ny tany sy fanjakana…